Bokin'ny Eklesiastika

Toko faha-14

1 Sambatra ny olona tsy nanota tamin'ny vavany, izay tsy mangan'ny nenina noho ny fahotana!

2 Sambatra izay tsy helohin'ny fanahiny, ka tsy mba very fanantenana ny Tompo!

3 Tsy mahasoa ny harena, amin'ny olona kafiry velona; ary inona no asan'ny harena amin'ny olona be fialonana?

4 Manangona ho an'ny hafa, izay manangona mahihitra ho an'ny tenany, ka ny hafa no mivelona amim-piadanana, amin'ny hareny.

5 Amin'iza no halemy fanahy izay loza be amin'ny tenany? Tsy mba hiadana amin'ny rakitry ny tenany izy.

6 Tsy misy ratsy mihoatra noho izay mifady ny zavatra rehetra, ary izany no tamby tandrifin'ny haratsiany.

7 Raha misy soa mba ataony, dia tsy fanahy iniana, ary hihariharian'ny haratsiany no iafarany.

8 Olon-dratsy izay mijery amin'ny maso misy fialonana, ka mihodivitra sy maneso ny fanahin'olona.

9 Tsy afa-pon'izay anjara tokana ny mason'ny kahihitra, ary mainan'ny fitsiriritana mandoza ny fanahy.

10 Minia tsy homan-kanina ny maso ratsy; ary noana eo anoloan'ny fihinany izy.

11 Anaka, manaova soa ny tenanao, araka izay anananao, ary manolora fanatitra mendrika, amin'ny Tompo.

12 Tsarovy fa tsy ho ela ny fahafatesana, ary tsy nambara taminao ny didim-paneken'ny seoly.

13 Manaova soa amin'ny sakaizanao, alohan'ny hahafatesanao, ary mitsora tanana, hanome azy, araka ny anananao.

14 Aza mifady tsy hanao andro firavoravoana, ary aza avela hisy latsaka, ny faniriana tsara, na tapany aza.

15 Moa tsy havelanao ho an'ny hafa va, ny vokatry ny fisasaranao? Moa tsy hotapahina amin'ny filokana na an'iza na iza ny vokatry ny hasasaranao?

16 Manomeza ary mandraisa, ka ampifalio ny fonao, fa tsy misy hitadiavana izay fiadanana, any amin'ny seoly.

17 Mihatonta toy ny fitafiana ny nofo rehetra, ary lalana navoaka hatramin'ny voalohany : ho faty tokoa hianao.

18 Toy ny ravina maitso eo amin'ny hazo be ravina; ny sasany ahintsany, ny sasany ampaniriny: toy izany ny taranaky ny nofo aman-dra; ny sasany maty, ny sasany vao velona.

19 Levona no hiafaran'ny asa mety levona rehetra, ary ho lasa miaraka aminy koa izay nanao azy.

20 Sambatra ny olona misaintsaina ny amin'ny fahendrena, sy miteny amim-pahaizana mitsara zavatra;

21 izay mieritreritra ny lalany ao am-pony, ary mandinika ny zava-miafina ao aminy;

22 manenjika azy (fahendrena) mova tsy ny mpihaza, mikendry ny fidirany.

23 Miondrika hijery eo am-baravarankeliny, mihaino eo am-baravarany.

24 Miorim-ponenana manolotra ny fonenany indrindra, manatsatoka ny tsima-dainy eo amin'ny rindriny,

25 manangona ny lainy, manolotra azy, ary monina ao an-trano misy ny fahasambarana.

26 Mametraka ny zanany eo ambany fiarovany, ary mialoka eo ambanin'ny sampany.

27 Ho voaro amin'ny hafanana izy eo amin'ny alokalony, ary hiala sasatra ao anatin'ny voninahitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1033