Bokin'ny Eklesiastika

Toko faha-15

15 Raha sitra-ponao dia hitandrina ny didy hianao, miankina amin'ny sitraky ny fonao, ny tsy mivadika.

16 nataony eo anoloanao ny afo sy ny rano, azonao atsotra amin'izay tianao ny tananao.

17 Eo anoloan'ny olombelona, ny fiainana sy ny fahafatesana, ka izay fidiny dia homena azy.

18 Fa lehibe ny fahendren'ny Tompo; sady mahery izy no mahefa, ary mahita ny zavatra rehetra.

19 Ny masony, dia eo amin'izay matahotra azy, ary fantany avokoa ny asan'ny olombelona.

20 Tsy misy olona nodidiany ho mpankahala fivavahana, tsy misy olona nomeny lalana hanota.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1039