Bokin'ny Eklesiastika

Toko faha-16

1 Aza maniry zaza maro tsy mahasoa, ary aza mba atao fifalianao, izay zanaka mpankahala fivavahana.

2 Raha mihamaro izy, aza mifaly amin'izany, raha tsy eo amin'izy ireo ny fahatahorana ny Tompo.

3 Aza manantena azy ho ela velona ary aza mahazo toky akory amin'izay fanambinana azony. Aleo tokana toy izay arivo, aleo maty tsy miteraka toy izay mamela zanaka mpankahala fivavahana.

4 Fa ny olona manan-tsaina anankiray hahabe mponina ny tany iray, fa ny taranaky ny ratsy fanahy kosa hofongorana.

5 Maro no ohatra amin'izany efa hitan'ny masoko, ary mbola misy aza mafimafy kokoa noho izany, efa ren'ny sofiko.

6 Mirehitra eo amin'ny fivorian'ny mpanota ny afo; ary mirehitra eo amin'ny vahoaka mpiodina, ny fahatezeran'Andriamanitra.

7 Tsy navelan'ny Tompo ny helok'ireo rapeto fahiny, izay nitoky tamin'ny herin'ny tenany, ka nikomy taminy.

8 Tsy nitsitsy an'ireo niara-nonina tamin'i Lota izy, fa halany ireny, noho ny fiavonavonany sahy loatra.

9 Tsy nananany indra fo, ny vahoaka voatolotra haringana, izay indray nofongorana tamin'ny fahotany.

10 Nofongorany torak'izany koa, ny miaramila an-tongotra enina hetsy, izay niara-nikambana noho ny fahamafisan'ny fony.

11 Raha iray no mafy hatoka, dia mahagaga loatra raha ho afa-maina izy. Satria samy avy amin'ny Tompo ny indrafo sy ny hatezerana; mahery mamela heloka izy, ary manampatra ny hatezerany koa.

12 Araka ny haben'ny famindram-pony, no hamafin'ny famaizany. Hotsarainy araka ny asany ny olona.

13 Tsy ho afa-mandositra miaraka amin'ny halany, ny mpanota, ary tsy hampiato ny andrasan'ny olona tia vavaka.

14 Hanampatra ny famindram-pony rehetra izy, ka samy handray araka ny asany tsirairay avy.

15 Aza manao hoe: Hiafina amin'ny mason'Andriamanitra aho, ka iza moa no hihevitra ahy, any ambony any? Ho hadino ao anaty vahoaka ao aho; satria zinona moa aho, ao anatin'izao zava-boahary tsy hita lany izao?

16 Jereo ange ny lanitra sy ny lanitry ny lanitr'Andriamanitra, ny hantsana sy ny tany mihozongozona raha tsidihiny.

17 Ny tendrombohitra sy ny fanambanin'ny tany, indray mihorohoro raha jereny.

18 Tsy mieritreritra izany anefa ny fon'ny olombelona, ary zovy moa no mamotopototra izay lalany?

19 Tsy tratry ny mason'ny olombelona ny tafio-drivotra: ary miafina koa ny ankabeazan'ny asan'Andriamanitra.

20 Iza no hilaza amintsika ny asan'ny fahamarinany, ary iza no hiandry izany? Lavitra loatra ny lalan'ny famaliana!

21 Izany no hevitry ny olona tsy manan-tsaina; hadalana no hany eretin'ny adala maniasia.

22 Mihainoa ahy, anaka, ary mianara ny fahendrena, ka aoka hotandreman'ny fonao ny teniko.

23 Hamosaka aminao fampianarana voalanja tamin'ny mizana aho, ary hampahafantatra anao fahaizana marina.

24 Maharitra araka ny nandaminany azy hatramin'ny voalohany ny asan'Andriamanitra ary efa navakavahany, hatramin'ny nahariany azy, ny antsinjarany.

25 Nasiany ravaka haharitra mandrakizay ny asany; ary nataony hamirapiratra amin'ny taona mifandimby ny tsara indrindra. Tsy mahatsiaro noana na hasasarana ireny, ka tsy mba manapaka ny anjara asany.

26 Tsy misy mandona ny mifanakaiky aminy izy, ary manaraka ny didin'Andriamanitra mandrakariva.

27 Manaraka izany, nitsinjo ny tany ny Tompo, dia nomeny azy ny zava-tsoany.

28 Nofenoiny biby isan-karazany ny vohony, ary ao anatiny kosa no tsy maintsy hiverenan'ireny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1373