Bokin'ny Eklesiastika

Toko faha-17

19 Izay mibebaka anefa, dia ekeny ny hiverenany, ary izay very fanantenana, alany alahelo.

20 Mitodiha ny Tompo hianao, ka miala amin'ny fahotana; mivavaha eo anoloan'ny tavany, ary ampahavitsio ny ratsy natao.

21 Miverena amin'ny Avo Indrindra, miala amin'ny tsy fahamarinana, ary ankahalao mafy izay vetaveta.

22 Iza no hidera ny Avo Indrindra, any amin'ny seoly, hisolo ny velona, sy izay nanome voninahitra azy?

23 Ny olona efa maty tsy mahazo midera fa toy ny tsinontsinona izy, fa ny velona sy ny salama no midera ny Tompo.

24 Endrey ny halehiben'ny famindram-pon'ny Tompo! sy ny fangoraham-pony an'izay mibebaka aminy!

25 Fa tsy mety hisy ao amin'ny olombelona avokoa ny zavatra rehetra; tsy mba hoe tsy mety maty ny zanak'olombelona.

26 Inona no mamirapiratra kokoa noho ny masoandro? Ary mihamaizina anefa izy. Toy izany ny ratsy fanahy, mihevitra ny nofo aman-dra.

27 Ny masoandro, mamangy ny tafiky ny kintana eny an-danitra ambony, fa ny olombelona dia vovoka sy lavenona ihany avokoa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1752