Bokin'ny Eklesiastika

Toko faha-19

1 Ny mpiasa manaram-po amin'ny divay, tsy mba hanan-karena; izay tsy mikarakara ny kely ananany ho latsaka vetivety amin'ny faharavana.

2 Mampivaona ny olona manan-tsaina ny divay sy ny vehivavy, ary tsy malina izay miraikitra amin'ny vehivavy janga.

3 Ho rembin'ny olitra sy ny kankana ireny, ary hofongorana ny fanahy meloka.

4 Izay malaky minomino foana, dia olona maivan-tsaina, ary manota amin'ny fanahiny, izay latsaka amin'izany hadisoana izany.

5 Izay minia mifaly amin'ny lahateny adala, hohelohina,

6 ary izay mankahala ny habasiam-bava, miaro tena amin'ny loza.

7 Aza mitati-teny na oviana na oviana, dia tsy ho fatiantoka na oviana na oviana hianao.

8 Aza milaza izany, na amin-tsakaiza na amim-pahavalo, ary aza manambara izany, afa-tsy raha hahadiso anao, tokana.

9 Fa raha reny hianao, hitandrin-tena izy aminao, ary mbola any ny andro, hisehoany ho fahavalonao.

10 Raha mandre resaka be vava hianao, ento maty izany, aza manan'ahiahy, tsy hampipoaka anao izany.

11 Raha misy teny iray tsy maintsy hotanany, dia mijaly ny adala, toy ny vehivavy mihetsi-jaza.

12 Sahala amin'ny zana-tsipika tafatsatoka amin'ny fe, ny teny iray amin'ny fon'ny adala.

13 Anontanio ny sakaizanao, fa angamba tsy nanao izany izy; ary raha nanao ihany izy, dia tsy mba hanao izany intsony.

14 Anontanio ny sakaizanao, fa angamba tsy nilaza izany izay, ary raha nilaza izany izy, dia tsy mba hamerina intsony.

15 Anontanio ny sakaizanao, fa matetika misy endrikendrika, ka aza mino izao lazain'ny olona rehetra izao hianao.

16 Misy mba diso ihany, nefa tsy fanahy iniana; ary zovy moa no tsy nanota tamin'ny lelany?

17 Anontanio ny sakaizanao, alohan'ny handrahonana azy, ary miraiketa hianao amin'ny fitandreman'ny lalan'ny Avo Indrindra.

18 Ny fahendrena rehetra, dia ao amin'ny fahatahorana ny Tompo; ary ao amin'ny fahendrena rehetra, ny fanatanterahana ny lalana.

19 Ny fahendrena, tsy mba ny fahaiza-manao ratsy; ary ny fahamalinana tsy mba hita amin'ny torohevitry ny mpanota.

20 Misy fahaizana tokony hankahalaina, ary misy hadalana izay tsy inona fa tsy fahampian'ny fahendrena.

21 Aleo olona kely fahiratan-tsaina matahotra an'Andriamanitra toy izay olona be fahazavan-tsaina mandika ny lalana.

22 Misy mahay tokoa nefa mandika ny rariny, ary misy mandainga amin'ny ady atsangany mba hampamoaka fitsarana araka ny iriny.

23 Misy ratsy fanahy mandeha manjoko azon'ny alahelo, ary feno fitaka ny fony.

24 Manondri-doha izy, marenina ilany izy, ary nony vao tsy jerijerena izy, dia ialohany hianao.

25 Ka raha tsy afa-manota izy, noho ny fahosany, dia hanao ratsy nony vao mahita hanaovana.

26 Ny tarehiny no hahalalana ny olona, ary ny endrika asehony no hahalalana ny hendry.

27 Ny fitafian'ny olona, ny fitsikin'ny molony, ary ny fandehan'ny olona no manambara ny toetrany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1227