Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'ny Eklesiastika

Eklesiastika toko 24, 1-4
Ny fankalazana ny fahendrena - Ny fahendrena ao amin'Israely, sy ao amin'ny lalàna.

       1Midera ny tenany ny fahendrena,
ary manome voninahi-tena eo amin'ny vahoakany izy.
       2Miloa-bava eo amin'ny fiangonan'ny Avo Indrindra izy,
ary manome voninahi-tena eo anatrehan'ny fiandrianany, hoe:
       3Nivoaka avy amin'ny vavan'ny Avo Indrindra aho,
ary nanarona ny tany, sahala amin'ny rahona.
       4Nonina tany amin'ny avo aho;
ary ny seza fiandrianako, dia eo an-tampon'ny andry rahona. >