Bokin'ny Eklesiastika

Toko faha-26

1 Sambatra ny vadin'ny vehivavy tsara fanahy, ary hampitomboina avo sasaka ny andro iainany.

2 Ny vehivavy mahery fo, dia fifalian'ny vadiny, izay miadana amin'ny taona iainany.

3 Anjara soa ny vehivavy tsara fanahy, ary homena ho anjaran'izay matahotra ny Tompo izy.

4 Ravoravo ny fon'ny lahy, na manan-karena izy na malahelo, miramirana lava ny tarehiny na rahoviana na rahoviana.

5 Misy zavatra telo atahoran'ny foko, ary ny amin'ny fahefatra dia mivavaka eo anatrehan'ny Tompo aho: Ny resaka fanaratsiana ataon'ny tanana iray manontolo; ny fanozonan'ny be sy ny maro, ary ny fanendrikendrehana: halako noho ny fahafatesana, ireo zavatra rehetra ireo;

6 fa ny vehivavy mpialona ny vehivavy hafa, no dia fijaliam-po amam-pangirifiriana, sy ny fioky ny lela mamisavisa amin'ny olon-drehetra ny anton'ny alahelony.

7 Ny vady ratsy fanahy, dia toy ny omby miray jioga tsy mifanaraka, izay mitana azy io dia sahala amin'izay nahazo mambambohitra.

8 Zava-mahatezitra loatra, ny vehivavy manaram-po amin'ny divay, fa tsy hanarona ny fahamenarany akory aza izy.

9 Amin'ny fijeriny tsy valahara sy amin'ny fanaovany pi-maso no ahalalana ny hajangan'ny vehivavy.

10 Ataovy tsara fiambenana ny zazavavy maditra, fandrao mahita ny fitsirambinanao izy, ka hanaram-po amin'ny fahalotoana.

11 Mitandrema mba tsy hanaraka ny maso tsy mahalala henatra, fa raha tsy izany, aza gaga raha voatariny amin'ny ota hianao.

12 Toy ny mpivahiny mangetaheta manoka-bava, ka misotro izay rano rehetra sendra azy, ny vehivavy janga mipetraka eo anoloan'ny tsato-kazo rehetra sy manokatra ny fitoeran-jana-tsipikany amin'ny zana-tsipika.

13 Ny hasoan'ny vehivavy dia fifalian'ny vadiny, ary ny hazavan-tsainy mandrotsaka hery amin'ny taolany.

14 Fanomezana avy amin'Andriamanitra, ny vehivavy mangina, ary tsy misy azo oharina amin'ny vehivavy tsara taiza.

15 Fahasoavana mihoatra noho ny fahasoavana rehetra ny vehivavy maotina, ary tsy misy rakitra soa noho ny vehivavy madio.

16 Toy ny masoandro miposaka eny amin'ny hahavon'ny Tompo, ny famirapiratry ny hatsaran-tarehin'ny vehivavy eo an-tranony voahaingo tsara.

17 Toy ny fanilo mirehitra eo amin'ny fanaovan-jiro masina, ny hatsaran-tarehy eo ambonin'ny tena ranjanana maha te-hanaja.

18 Toy ny andry volamena misy faladia volafotsy ny tongotra tsara bika, miorina amin'ny ombalahin-tongotra madonda.

19 Misy zavatra roa mampalahelo ny foko, ary ny fahatelo manetsika ny hatezerako; ny lehilahy mpiady, miaritra ny fahantrana; ny olona manan-tsaina, ataon'ny olona faniratsira; izay miala amin'ny fahamarinana ho amin'ny fahotana; omanin'ny Tompo izy, ho an'ny sabatra.

20 Saro-misoro-kadisoana, ny olona mpivarotra; ary tsy ialam-pahotana, ny mpivaro-divay.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1216