Bokin'ny Eklesiastika

Eklesiastika toko 3. 17-19,26-27

       17 Anaka, ataovy amin-kalemem-panahy ny asanao,
dia ho tian'ny olona izay ankasitrahan'Andriamanitra hianao.
       18 Araka ny fisondrotanao, no aoka hietrenao tena
dia hahita sitraka amin'Andriamanitra hianao;
       19 fa lehibe ny fahefan'Andriamanitra,
ary ankalazain'ny manetry tena izy.
       26 Tsy lai-panafody ny loza mahazo ny mpiavonavona;
fa efa latsa-paka ao aminy ny tsirin'ny fahotana.
       27 Ny fon'ny olona manan-tsaina, misaintsaina ny fanoharana,
ny mahita sofina mitandrina no fanirian'ny hendry.