Bokin'ny Eklesiastika

Toko faha-31

1 Ny fiaretan-torin'ny mpanankarena mandany ny nofo; ary ny ahiahy manala ny torimaso aminy.

2 Ny ahiahy lalandava misakana ny torimaso, toy ny aretina mafy mampandositra azy.

3 Miasa ny manan-karena, mba hanangon-karena; ary nony mitsahatra izy mivoky fahafinaretana.

4 Miasa ny mahantra, noho izy tsy manan-kivelomana; ary nony mitsahatra izy, tsy manana na inona na inona.

5 Izay tia volamena, tsy ialam-pahotana, ary izay fatra-pitady zava-mety lo ho voky izany.

6 Maro no efa natolotra ho amin'ny faharavana, noho ny amin'ny volamena, ary teo anoloan'izy ireo ny fahaverezana.

7 Hazo manafintohina ho an'izay manatitra sorona aminy ny volamena: ny adala rehetra ho voa amin'izany.

8 Sambatra ny manan-karena ho hita tsy manan-tsiny, sy tsy mba nidodododo nitady volamena!

9 Iza moa izy, mba hankalazantsika azy hoe sambatra? fa nanao zava-mahagaga teo amin'ny fireneny izy.

10 Iza no nozahan-toetra ny amin'izany, ka hita fa tsy manan-tsiny? Aoka ho foto-boninahitra ho azy izany fizahan-toetra izany! Iza no afa-nandika ny lalana, ka tsy nandika azy? afa-nanao ratsy ka tsy nanao izany?

11 Dia ho voaorina mafy ny fananany, ary hitory ny soa ataony ny fiangonana.

12 Tafapetraka eo amin'ny fihinanana efa voaroso tsara ve hianao? aza miloa-bava eo anoloany, ary aza manao hoe: Indreto ny nahandro betsaka.

13 Aza manadino ny zava-dratsy ny maso mialona. Moa misy zava-boahary ratsiratsy kokoa noho ny maso mialona va? Koa mitomany izy amin'ny tava rehetra.

14 Aza manatso-tanana amin'izay jereny; ary aza mifanehatra aminy, eo amin'ny lovia.

15 Tsarao araka ny anao ny fanirian'ny namanao, ka ataovy amim-pisainana ny zavatra rehetra.

16 Mihinana araka ny fanaon'olona amin'izay eo anoloanao, ary aza mitsamontsamona, fandrao dia maharikoriko ny olona hianao.

17 Hianao no mijanona voalohany noho ny mahatsara taiza anao, ary aza dia miseho ho tsy afa-po, fandrao dia manafintohina.

18 Raha tafapetraka miaraka amin'ny maro hianao, aza manatso-tanana alohan'ny hafa.

19 Zavatra kely toy inona dia ampy ho an'ny olona tsara taiza! Noho izany eo am-pandriany izy, miaina malalaka tsara.

20 Ny torimaso mahasoa no an'ny ambavafo mahalala onony, mifoha maraina ny olona toy izany sady mavitri-tsaina.

21 Raha mba voataona hihinam-be loatra hianao, dia mitsangana ka mitsangantsangana eny an-kalalahana, fa hihamaivamaivana.

22 Mihainoa ahy, anaka, ka aza manamavo ahy, ary ho hitanao ny hamarinan'ny teniko amin'ny farany: Mazotoa amin'izay rehetra ataonao, dia tsy havenin'aretina akory hianao.

23 Izay mahafoy malalaka amin'ny fanasana dia tsofin'ny molotra rano, ary marina ny teny ilazana ny hazavam-pony.

24 Ny tanana manontolo no indray mimonomonona amin'izay kahihitra amin'ny fanasana ataony, ary marina ny teny ilazana ny fahidiany.

25 Aza manao ho dontolahy amin'ny divay, fa efa nahavery olona maro ny divay.

26 Ny memy no izahan-toetra ny vy, raha aofana izy; ny divay koa no izahan-toetra ny fo, raha mifanditra ny mpirehareha.

27 Toy ny fiainana ho an'ny olona ny divay, raha sotroinao am-patrany marina. Fiainana toy inona no an'izay tsy manan-divay? Fa ny hampiravoravo ny olona no nanaovana ny divay.

28 Firavoravoan'ny fo amam-pifalian'ny fanahy, ny divay raha sotroina amim-potoana sy am-patrany marina.

29 Fangidiam-panahy ny divay raha isotroana be, raha mirehidrehitra sy mifandiditra ny olona.

30 Ny hamamoana dia mampirehitra ny hatezeran'ny adala sy mampipotraka azy: mampihena ny hery ary mahatonga ratra.

31 Amin'ny fanasana, aza mandevilevy ny namana, ary aza maneso azy raha mbola ao anatin'ny fifaliana izy; aza manao teny fanalam-baraka azy, ary aza manery azy amin'ny fitakian-javatra aminy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0701