Bokin'ny Eklesiastika

Toko faha-32

1 Voatendry ho mpanjakan'ny fanasana va hianao? Aza manandra-tena. Aoka ho eo amin'ny mpiara-mihinana toy ny iray aminy ihany hianao: karakarao aloha izy ireo, vao mipetraka hianao.

2 Rahefa vita avokoa ny adidy iandraiketanao, maka toerana, mba hifalianao noho ny amin'izy ireo, sy handraisanao fehiloha, amin'ny nandaminana tsara ny fanasana.

3 Mitenena, ry anti-panahy, fa tandrifinao izany, nefa mitenena amim-pahamarinana sy fahaizana sady aza misakantsakana ny zava-maneno.

4 Fa raha mihaino ny mozika ny olona, aza mandraraka teny maro, ary aza manampatra ny fahendrenao, tsy amin'ny fotoana.

5 Toy ny fitomboka vatosoa voapetaka amin'ny volamena, ny konsertra mireondreona eo amin'ny fanasana.

6 Toy ny fitomboka vatosoa maitso amin'ny firavaka volamena, ny kalokalo malefaka miaraka amin'ny divay tsara.

7 Mitenena, ry zatovo, raha misy soa ho anao amin'izany, indroa saiky be, raha anontaniana hianao.

8 Afohezo ny teninao, zava-be amin'ny teny vitsy; aoka ho toy ny olona manam-pahaizana, fa mahay mangina.

9 Raha eo amin'ny lehibe, aza manao ny tenanao ho sahala aminy; ary amin'ny fitoerana misy anti-panahy, mba vitsy teny.

10 Tselatra mamirapiratra no mialoha ny kotro-baratra; toetra mahafinaritra kosa no mialoha lalana ny zatovo maotina.

11 Rahefa tonga ny fotoana, mitsangana ary mihinana fa aza milasilasy, modia faingana any an-tranonao, fa aza tsy miraidraika.

12 Any milalaova, manarana fo amin'izay angotingoty tianao, kanefa aza manota amin'ny teny anavonavona.

13 Ary noho izany rehetra izany, misaora an'Ilay Nahary izay manetsaka anao amin'ny zava-tsoa avy aminy.

14 Izay matahotra ny Tompo mandray ny fampianarana, ary izay mazoto mitady azy, hahazo sitraka aminy.

15 Izay mitady ny lalana, hahazo fahafaham-po aminy, fa ho an'ny mpihatsaravelatsihy izy no antony hahalavo azy.

16 Izay matahotra ny Tompo no hahita ny fitsarana marina; ka hampamirapiratra ny teny fitsarana marina, hoatra ny fanilo.

17 Manda famaizana ny mpanota; ary mahita fialan-tsiny araka izay tiany izy.

18 Ny olona manan-tsaina, tsy mba maneso anatra na inona na inona, fa ny olon-kafa sy ny mpiavonavona, tsy mba voasakan-tahotra na inona na inona; ary nony efa avy nanao izy, dia tsy manam-pieritreretana akory, (ka amin'izany dia miharihary ny fahadalany).

19 Aza manao na inona na inona tsy amim-piheverana, dia tsy hanan-kanenenana hianao, aorian'ny asa.

20 Aza mandeha amin'ny lalana efa simba, dia tsy ho tafintohina amin'ny vato hianao.

21 Aza matoky ny lalana mitovy tantana; ary mitandrema tena hianao amin'ny zanakao.

22 Ny fanahinao no itokio, amin'izay rehetra ataonao; fa fanarahana ny didy koa izany.

23 Izay mitoky amin'ny lalana, dia mihaino tsara ny didiny, ary izay matoky ny Tompo, dia tsy mba hiharam-patiantoka.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.095