Bokin'ny Eklesiastika
Eklesiastika toko 35. 15-17,20-22
15 ary aza miantehitra amin'izay fanatitra tsy marina;
fa mpitsara ny Tompo,
ary tsy mijery izay filaharam-piambonian'ny olona akory izy.
16 Tsy mizaha tavan'olona hamono antoka ny mahantra izy,
ary mihaino ny vavak'izay ampahoriana.
17 Tsy mba ataony tsy ho zavatra ny kamboty mitalaho,
na ny mpitondratena mamboraka ny fitarainany aminy.
20 Horaisina tsara izay manaja an'Andriamanitra araka ny fomba ankasitrahany,
ary tafasondrotra hatrany amin'ny rahona ny fivavahany.
21 Maninteraka ny rahona ny vavaky ny manetry tena,
fa tsy hionona izy, raha tsy tonga amin'Andriamanitra izany;
tsy hitsahatra izy, raha tsy efa nojeren'ny Avo Indrindra;
dia hitsara araka ny rariny ny Tompo, ka hamoaka fitsarana.
22 Tsy hampiandry akory ny Tompo,
tsy handefitra intsony izy, amin'ny mpampahory;
mandra-panorotorony ny valahan'ireo olona tsy miantra ireo,