Bokin'ny Eklesiastika

Toko faha-35

1 Ny mitandrina ny lalàna, dia manao fanatitra maro

2 ary ny miraikitra amin'ny didy, dia manolotra sorom-pihavanana.

3 Ny misaotra dia manao fanatitra lafarina tsara indrindra;

4 ary ny manao famindram-po, dia manatitra sorona fiderana.

5 Ny ankasitrahan'ny Tompo, dia ny manalavitra ny ratsy; ny mahazo famelan-keloka aminy, dia ny mandositra ny tsy marina.

6 Kanefa aza miseho foan-tànana eo anatrehan'ny Tompo hianao,

7 fa noho ny didy no tsy maintsy hanaovana ireny fanatitra ireny.

8 Manatavy ny otely ny fanatitra marina; ary miakatra eo anatrehan'ny Tompo ny fofony manitra.

9 Mahafinaritra ny soron'ny olo-marina; ary tsy ho very tadidy ny fahatsiarovana an'izany.

10 Manomeza voninahitra ny Tompo, amin'ny fo mahafoy be; ary aza anesorana akory ny voaloham-bokatry ny tananao.

11 Amin'ny fanatitra rehetra, aoka ho mirana endrika hianao, ary atokany amim-piravoravoana ny fahafolon-karenao.

12 Manomeza voninahitra ny Avo Indrindra araka izay nomeny anao, amin'ny fo mahafoy be, araka izay azon'ny tananao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4933