Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'ny Eklesiastika

Eklesiastika toko 35, 12-14,16-18,

       <12Manomeza voninahitra ny Avo Indrindra araka izay nomeny anao,
amin'ny fo mahafoy be, araka izay azon'ny tananao.
       13Fa manome valy ny Tompo,
ka hamerina impito hoatry ny nataonao.
       14Aza mitady hanangoly azy amin'ny fanatitra, fa tsy horaisiny akory izany,
       16Tsy mizaha tavan'olona hamono antoka ny mahantra izy,
ary mihaino ny vavak'izay ampahoriana.
       17Tsy mba ataony tsy ho zavatra ny kamboty mitalaho,
na ny mpitondratena mamboraka ny fitarainany aminy.
       18Tsy mirotsaka eo amin'ny takolany va ny ranomason'ny mpitondratena, >