Bokin'ny Eklesiastika

Toko faha-38

1 Omeo ny dokotera ny haja tandrify azy, noho ny filanao azy; fa izy ihany koa dia noharin'ny Tompo.

2 Fa ny Avo Indrindra no ihavian'ny fahasitranana; ary na ny mpanjaka aza andraisany fanatitra.

3 Manandratra ny lohany ny fahaizan'ny dokotera, ka igagana izy, eo anatrehan'ny lehibe.

4 Ny Tompo mampahavokatra ny tany ny fanafody avy amin'ny tany, ary ny olona manan-tsaina tsy mba manao izany tsy ho zavatra.

5 Moa tsy dia ny hazo anankiray va no nahamamy ny rano mangidy, mba ho fantatry ny olona rehetra ny hasiny?

6 Nomeny fahaizana ny olona hahazoany voninahitra amin'ny fanomezany mahagaga.

7 Amin'izany fanomezana izany no ampahazoan'ny olona ny fahasitranana sy hanafahany ny fanaintainana.

8 Izany no anaovan'ny mpanao fanafody zavatra miharoharo, ka vantany vao vita ny asany, dia miely eto ambonin'ny tany ny fahasalamana avy aminy.

9 Anaka, raha marary hianao, aza manao ny torohevitro ho tsinontsinona, fa mangataha amin'ny Tompo, dia hositraniny hianao.

10 Fadio ny fandikan-dalana, ahitsio ny tananao, ary diovy ny fonao amin'ny ota rehetra.

11 Atero ny emboka amam-panatitra lafarina; ary mamonoa sorona matavy, tahaka ny efa raikitra fa ho faty hianao.

12 Rahefa izany ampandrosoy ny dokotera, fa izy koa dia noharin'ny Tompo, ary aoka tsy hanalavitra anao izy, fa mila azy hianao.

13 Misy ihany izay ahombiazan'ny tànany,

14 fa hangataka amin'ny Tompo koa izy ireny, mba ho ekeny ny hampahazoany ny fitsaharana, amam-pahasitranana hahalava andro fiainana ny marary.

15 Aoka izay manota eo imason'ny Mpahary azy, no ho latsaka eo an-tanan'ny dokotera!

16 Anaka, itomanio ny maty, ary aoka ho rafitra migogogogo hianao toy ny olona mijaly mafy. Manaraka izany, ataovy amin'ny vatany izay fikarakarana tandrify azy, ary aza atao tsirambina ny fandevenana azy.

17 Mamorona ranomaso mangidy, mandefasa sento mafy, ary manaova fisaonana, araka ny sahaza azy, indray andro na indroa andro, mba tsy hisian'ny vava ratsy.

18 Rahefa izany, mionona hianao, mba hampisava ny alahelo, fa mety ihavian'ny fahafatesana ny alahelo, ary mandreraka ny hery rehetra ny alahelon'ny fo.

19 Rahefa entina ny maty, tokony hiara-dasa aminy koa ny alahelo; tahaka ny fiainan'ny mahantra, mifanohitra amin'ny fony.

20 Aza avela hianjadian'ny alahelo ny fonao, roahy izy, tsarovy ny hiafaranao.

21 Aza manadino izao: tsy misy fiverenana intsony; ny maty tsy hosoavinao; ary ny tenanao asianao ratsy.

22 Tsarovy fa toy ny didy nahatra taminy izay hahatra aminao, ny ahy omaly; ny anao anio.

23 Rahefa mitsahatra ny maty, avelao hitsahatra koa ny fahatsiarovana azy; ary mionona hianao ny aminy, amin'ny fahalasanan'ny fanahiny.

24 Ny fahendren'ny mpanoratra dia azo noho ny fananana andro malalaka, ary izay tsy manan-draharaha himasoana, dia tonga hendry.

25 Ahoana no hahatonga hendry ny mitondra ny angadin'omby, izay maniry ny hampiasa ny fanindronana ho solon'ny lefona, mampandroso ny ombiny, sy tafaharo asa amin'ireny, ary tsy mahay miresaka afa-tsy amin'ny zanak'ombalahy.

26 Ny hanoritra asa no ilofosany amin'ny fony rehetra, ny hampahazo vilona ny vantotr'ombivaviny no karakarainy fatratra.

27 Manao toy izany koa rahefa mety ho mpandrafitra sy mpanorina trano, izay manohy ny raharahany andro aman'alina; mbamin'ny mpisokitra marika amin'ny fitomboka: ny hahasamihafa ny endri-javatra no ikelezany aina; ny hahavita ny sary marina tsara no ilofosany tokoa, ary hahatomombana ny asany no karakarainy fatratra.

28 Torak'izany ny mpanefy mipetraka eo akaikin'ny riandriany, sy mibanjina ny vy mbola akorany; ny fofon'afo mampitsonika ny nofony; nefa miaritra izy tsy mihontsina amin'ny hafanan'ny fatam-panefeny; ny fikatrokatroky ny tantanana mankarenina ny sofina; ary ny masony mifantoka amin'ny modelin'ny fanaka; ny hahalavorary ny asany no ilofosany amin'ny fony tokoa, ny hahalambolambo azy lavorary tsara no karakarainy fatratra.

29 Torak'izany koa ny mpanao tanimanga, mipetraka eo amin'ny asany, sy manodina ny kodiarana amin'ny tongony: ny asany ihany no ahiny lalandava ary ny havitany izay siny voafetra no ikelezany aina mafy.

30 Ny tanany no mamolavola ny tanimanga, ary eo anoloan'ny tongony no hanalemeny azy; izay hahatsara ny varinesiny no ilofosany amin'ny fony tokoa, izay hahadio ny lafaorony no karakarainy fatratra.

31 Ny tanana no ampoizin'ireo olona ireo hahavitana ny zavatra rehetra; ary samy manam-pahaizana ny amin'ny asany avy izy ireo.

32 Raha tsy misy azy ireo ny olona dia tsy hahorina tanana iray akory, tsy hankany amin'ny tany hafa, na handeha hivahiny.

33 Kanefa izy ireo tsy mba ilaina eo amin'ny fivoriana fakan-kevitry ny vahoaka ny hahazo laza eo amin'ny fivoriana; tsy mba hanam-pahaizana ny fanekena momba ny rariny, t sy mba hahazo toerana eo amin'ny sezan'ny mpitsara; tsy hivaofy ny rariny sy ny hitsiny; ary tsy mba ho hita mamoaka oha-teny.

34 Izy ireo anefa no fototry ny zavatra ilaina momba izao fiainana izao, ary ny asa momba ny raharahany no anaovany fivavahana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1598