Bokin'ny Eklesiastika

Toko faha-3

2 Fa sitraky ny Tompo ny hanajan'ny zanaka ny rainy; ary nanorina ny fahefan'ny reny amin'ny zanany izy.

3 Izay manaja ny rainy manonitra ny fahotany;

4 ary fanangonan-karena ny manaja ny reny.

5 Izay manaja ny rainy, hampifalin'ny zanany, ary hohenoina amin'ny andro ivavahany izy.

6 Izay manaja ny rainy ho lava andro iainana, izay manaiky ny Tompo hanome fiononana ny reniny.

12 Anaka, tohano amin'ny andro fahanterana ny rainao, ary aza mampalahelo azy, amin'ny andro iainany.

13 Raha avy izay haharerahan'ny fanahiny, iantrao izy, ary aza manatsinontsinona azy, rahefa be indrindra ny tanjakao.

14 Fa ny soa atao amin-dray, tsy mba ho very tadidy; ary hisolo toerana ny fahotanao, ny fanambinana ho tonga amin'ny tranonao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1316