Bokin'ny Eklesiastika

Toko faha-41

1 Akory ity hangidin'ny fahatsiarovana anao, ry fahafatesana, ho an'ny velona am-piadanana ao anatin'ny hareny; ho an'ny olona afak'ahiahy, sy ambinina amin'ny zavatra rehetra; sady mbola afa-mankafy ny hafaliana amin'ny fihinanana.

2 Ry fahafatesana o, mahafinaritra ny fanapahanao, ho an'ny tsy manana, ho an'izay efa lany hery, ho an'ny antitra efa vesaran'ny taona sy sahiranin'ny ahiahy tsy hita isa, ho an'ny tsy mionona amin'ny anjarany sy manary toky.

3 Aza matahotra ny fanapahan'ny fahafatesana: tsarovy ireo nialoha anao, sy izay ho avy any aoriana any.

4 Fanapahana nahatran'ny Tompo amin'ny nofo rehetra izany; ary haninona hianao no hiodina amin'ny sitrapon'ny Avo Indrindra? na velona folo taona hianao, na zato taona, na arivo taona; any amin'ny seoly tsy mampaninona izay halavan'ny andro niainana.

5 Zanaka ratsy loatra ny zanaky ny mpanota, izay miantrano matetika any amin'ny fonenan'ny mpankahala fivavahana.

6 Ho rava no alehan'ny lovan'ny zanaky ny mpanota, ary fahafaham-baraka no miraikitra amin'ny taranany.

7 Faniratsirana no atolotry ny zanaka ny ray mpankahala fivavahana, satria noho io ihany no nilatsahany amin'ny fahafaham-baraka.

8 Loza ho anareo, ry olona mpankahala fivavahana, izay mahafoy ny lalan'Andriamanitra Avo Indrindra!

9 Amin'ny nahaterahanareo, dia teraka ho an'ny fanozonana hianareo, ary amin'ny fahafatesanareo, dia ny fanozonana no ho anjaranareo.

10 Izay rehetra avy amin'ny tany dia miverina amin'ny tany; toy izany koa ny mpankahala fivavahana avy amin'ny fanozonana, ka mankany amin'ny faharavana.

11 Malahelo ny olona noho ny amin'ny vatany, fa ny anara-maharikorikon'ny mpanota ho foana.

12 Tandremo tsara ny anaranao, fa haharitra ho anao izany mihoatra noho ny rakitra volamena lehibe an'arivony.

13 Ny andro iainana amim-piadanana azo isaina, fa ny anarana soa kosa maharitra mandrakizay.

14 Anaka, tandremo amim-piadanana ny fampianarako: Fahendrena afenina, rakitra tsy hita; inona no ho asan'izy roa ireo?

15 Aleo olona manafina ny hadalany, toy izay olona manafina ny fahendreny.

16 Koa manana henatra amin'ny zavatra holazaiko izao. Fa tsy tsara ho fitahiry avokoa ny henatra rehetra, ary tsy tsarain'ny olona araka ny marina avokoa ny zavatra rehetra.

17 Manana henatra ny amin'ny fijangajangana, eo anatrehan'ny ray aman-dreninao, ary ny amin'ny lainga eo anatrehan'ny mpanapaka sy ny manam-pahefana;

18 ny amin'ny heloka eo anatrehan'ny mpitsara sy ny mpifehy, ny amin'ny fandikana ny lalana, eo anatrehan'ny fiangonana sy ny vahoaka; ny amin'ny tsy fahamarinana, eo anatrehan'ny namana aman-tsakaiza; ny amin'ny halatra eo anatrehan'ny tany ama-monina.

19 Amin'ny anaran'ny fahamarinan'Andriamanitra sy ny fanekeny, ataovy henatra ny mitehin-kiho eo ambonin'ny mofo; ny mihantsy eso amin'ny fandraisana amam-panomezana;

20 ny mangina eo anatrehan'izay miarahaba anao; ny mijery vehivavy janga;

21 ny mampiamboho ny tavanao amin'ny havana; ny maka ny anjarany sy ny fanomezana azy, ary ny mitily vehivavy manambady;

22 ny mivarilena amin'ny ankizivavinao, ka aza mijanona eo akaikin'ny fandriany; aoka ho menatra ny manao teny maharary eo anatrehan'ny sakaizanao hianao ary aza mandatsa rahefa avy nanome.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0366