Bokin'ny Eklesiastika

Toko faha-42

1 Aoka ho menatra ny manambara ny zavatra renao hianao, sy ny milaza ny zavatra miafina. Dia hanan-kenatra marina hianao amin'izay, ary hahazo sitraka eo anatrehan'ny olona rehetra.

2 Aza menatra amin'ireto zavatra ireto, ary aza resin-kenatra olona, ka manao fahotana: Aza menatra ny lalan'ny Avo Indrindra sy ny fanekeny, ny teny fanamarinana ny mpankahala fivavahana,

3 ny miresaka amin'ny namana sy ny mpandalo, ny manome soa kely ny sakaizanao,

4 ny mampiasa mizàna marina sy vato marina, ny hahazo be na kely,

5 ny tsy mifidifidy olona amin'ny varotra sy amin'ny mpivarotra, ny mamay mafy ny zanakao, ny mikapoka hatramin'ny manao loa-dra, ny mpanompo ratsy fanahy.

6 Amin'ny vehivavy ratsy fanahy mety ny fitomboka, ary rahefa misy tana-maro, hidio am-panalahidy ny zavatra.

7 Isao sy lanjao izay atolotrao ny olonao; ary ataovy an-tsoratra izay omenao sy izay raisinao.

8 Aza menatra ny mananatra ny adala sy ny ketrina, mbamin'ny anti-panahy mifanditra amin'ny zatovo. Dia ho tena vita fianarana tokoa hianao amin'izany, sady hankatoavin'ny olona rehetra.

9 Ahiahy takona mahazo ny rainy ny zazavavy, ary tsy ahitany torimaso ny fiahiany azy; raha mipetraka ho mpitovo izy sao hihoatra ny taonan'ny fahatanorany, raha tafakambana amin'ny vadiny, sao hanjary halan-dralehilahy;

10 Mbola virjiny izy, mety ho voakojikojy, ka hanana anaka ao an-tranon-drainy; manambady indray sao hivadika amin'ny lalam-panambadiana; miara-mipetraka aminy izy sao hitoetra ho momba.

11 Amin'ny zazavavy maditra manaova fitandremana mafy, fandrao hianao ataony fihomehezan'ny fahavalonao, fanoharan'ny ao an-tanana, ambentin-dresaky ny vahoaka, ary alany baraka eo afovoan'ny vahoaka rehetra.

12 Aza ataonao ho zavatra loatra rahefa mety ho olona tsara tarehy, ary aza mipetraka eo amin'ny vehivavy;

13 fa ny fitafiana no ivoahan'ny kalalao, ary ny vehivavy kosa, ny haratsiam-behivavy.

14 Aleo lehilahy ratsy fanahy toy izay vehivavy mpanejokejo, fa mahasafo-kenatra sy mahafa-baraka ny vehivavy.

15 Hotsahiviko izao ny asan'ny Tompo, ary hotoriko izay hitako. Ny tenin'ny Tompo no nahavitana ny asany rehetra.

16 Ny masoandro izay manazava azy ireo dia mibanjina azy rehetra, asan'ny Tompo, feno ny voninahiny izy.

17 Ny olo-masiny dia tsy nataon'ny Tompo mahavatra ny mitory ny zava-mahagaga rehetra vitany, izay naorin'ny Tompo tsitoha mafy, mba ho mafy orina izao tontolo izao amin'ny voninahiny.

18 Tsapainy ny halalin'ny ranomasina sy ny fon'ny olombelona; ary fantany ny heviny saro-pantarina indrindra. Fa manana ny fahalalana rehetra ny Tompo; ary hitany ny famantaram-potoana.

19 Manambara ny lasa sy ny ho avy izy, ary mampiharihary ny dian'ny zava-miafina.

20 Tsy misy hevitra miafina aminy, tsy misy teny takona azy.

21 Noravahany ny asa lehiben'ny fahendreny: talohan'ny taona rehetra izy, ary haharitra mandrakizay; tsy nampiana na inona na inona ny tenany, tsy nanesorana na inona na inona, ary tsy nila mpanolo-tsaina na iza na iza izy.

22 Endrey, ny hatsaran-tarehin'ny asany rehetra! ary izay banjinin'ny olona amin'ireny anefa dia kilalaon'afo fotsiny.

23 Velona daholo ny zavatra rehetra ary maharitra mandrakizay, ho amin'izay rehetra ilàna azy; ary manaiky ny Mpahary ny zavatra rehetra.

24 Mikambana tsiroaroa avy izy, ny iray tandrifin'ny iray, ary tsy nisy nataony mankamin'ny faharavana.

25 Fa ny anankiray dia antoky ny fahasambaran'ny anankiray: iza no mety ho afa-po amin'ny fijerena ny voninahitry ny Tompo?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0399