Bokin'ny Eklesiastika

Toko faha-44

1 Ataovintsika izao ny fiderana ny olo-malaza, sy ny razan'ny karazantsika.

2 Nanao zava-mahagaga be voninahitra amin'izy ireo ny Tompo; naneho ny fahalehibeazany hatramin'ny voalohany izy.

3 Izy ireo dia mpanjaka teo amin'ny fanjakany; lehilahy malaza noho ny fahefany, mpanolo-tsaina feno fahendrena, manambara ny sitrapon'Andriamanitra tamin'ny faminaniany;

4 mpitarika ny vahoaka tamin'ny toroheviny amam-pahamalinany, mpampianatra ny vahoaka, nanoro azy tamin'ny teny maneho fahendrena;

5 olona nianatra ny fahaiza-mamoron-kira masina, sady nandatsaka an-tsoratra tantara mirindra;

6 mpanan-karena, nanam-pananana be, nonina tao an-tranony tamim-piadanana:

7 Izany olona rehetra izany dia nohajain'ny niara-belona taminy, samy voninahitry ny fotoana niainany avokoa.

8 Ny sasany tamin'izy ireo, namela anarana, ka azo atao ny mitantara ny fiderana azy.

9 Ny sasany kosa tsy misy ahatsiarovana azy intsony; fa levona toy ny tsy nisy akory; nanjary toy ny tsy teraka akory, ary toy izany koa ny zanany nanaraka azy.

10 Ireo voalohany dia olona tia vavaka, ka tsy hadino ny hatsaram-panahiny.

11 Raikitra ho anjaran'ny taranany ny hasambarana ary misy lova azo antoka ho an'ny zanany.

12 Maharitra tsy mivadika amin'ny fanekena ny taranany; mbamin'ny zanany koa noho ny amin'izy ireo.

13 Maharitra mandrakizay ny taranany, ary tsy ho levona na oviana na oviana ny voninahiny,

14 ny vatany nalevina tamim-piadanana, ary ny anarany velona amin'ny taona mifandimby.

15 Ny vahoaka mankalaza ny fahendreny; ary ny fiangonana mitory fiderana azy.

16 Sitraky ny Tompo Henaoka ka nafindra; ohatra amin'ny fivalozana, ho an'ny taranaka.

17 Hita fa lavorary sady marina Noe; izy no avotra ho an'ny olombelona tamin'ny andron'ny fahatezerana, hany ka mbola nisy sisa tavela tamin'ny tany, tamin'ny nahatongavan'ny safo-drano.

18 Nisy fanekena mandrakizay natao taminy, mba tsy handringanana ny nofo rehetra amin'ny safo-drano intsony.

19 Raza-malazan'ny firenena maro Abrahama, ary tsy nisy olona nitovy voninahitra taminy.

20 Nitandrina ny lalan'ny Avo Indrindra izy, ary nanao fanekena taminy. Naoriny tamin'ny nofony izany fanekena izany; ary niseho ho mahatoky izy tamin'ny fizahan-toetra azy.

21 Ka dia nanome toky azy tamim-pianianana Andriamanitra fa amin'ny taranany no hitahiana ny firenena; nomeny toky fa hohamaroiny toy ny vovoky ny tany izy sy hasandrany toy ny kintana ny taranany, ary homeny ho lovany ny hatramin'ny ranomasina ka hatramin'ny ranomasina, hatramin'ny ony ka hatramin'ny faran'ny tany.

22 Nohamafisiny toy izany tamin'Isaaka koa noho ny amin'i Abrahama, ny fitahiana ny firenena rehetra, sy ny fanekena.

23 Rahefa izany dia nataony mipetraka teo an-dohan'i Jakoba izany fitahiany izany ka nataony anton'ny fitahiany ny olona izy; nomeny ho lovany ny tany;

24 natokotokony maro izany, dia nozarainy tamin'ny foko roa ambin'ny folo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1427