Bokin'ny Eklesiastika

Toko faha-45

1 Napoitrany avy amin'i Jakoba olona anankiray tia vavaka, izay nahita fitia tamin'ny nofo rehetra, olona tian'Andriamanitra sy ny olombelona, dia Moizy: Hombam-pitahiana anie ny fahatsiarovana azy!

2 Fa izy nomeny voninahitra sahala amin'ireo masina; nataony malaza noho ny fampahatahorana nampidiriny tamin'ny fahavalo.

3 Ny teniny no nampitsaharany ny zava-mahatalanjona, nomeny voninahitra teo anatrehan'ny mpanjaka izy: nomeny didy ho an'ny vahoakany, ary nampahitany ny tsirim-pahazavam-boninahiny anankiray.

4 Nohamasininy izy, noho ny finoany amankalemem-panahiny; nofidiny tamin'ny olombelona rehetra;

5 nampandrenesiny ny feony; nampidiriny tao anatin'ny rahona; nifanatrika taminy izy no notolorany ny didiny, dia ny lalan'ny fiainana amam-pahalalana, mba hampianarany an'i Jakoba ny fanekeny, sy an'Israely ny didiny.

6 Nasandrany koa Aarona olo-masina toa azy, rahalahiny avy amin'ny fokon'i Levì.

7 Nanao fanekena mandrakizay taminy izy, ary nanome azy ny fisoronan'ny vahoakany. Nampiraratiny amin'ny fihaingoana mamirapiratra izy ary nahodidiny azy ny akanjom-boninahitra.

8 Nampitafy azy fiandrianana ambony indrindra, ary nanendry fitafiam-boninahitra ho azy: dia ny kalesona, ny akanjo vity lava sy ny efoda.

9 Nohodidininy ampongaben-danitra izy, mbamin'ny lakolosy volamena madinika maro manodidina, izay tsy maintsy maneno rahefa mandeha izy, sy mampandre ny feony, ao amin'ny tempoly; fampahatsiarovana ho an'ny taranaky ny vahoakany izany.

10 Nahodidiny azy ny fiatifana masina, tenona volamena sy hiasinta; ary jaky asan'ny mpanao amboradara; ny rasionalin'ny fitsarana mbamin'ny Orima sy ny Tomima, nataon'ny mpahay zavatra, amin'ny kofehy mena mangatrakatraka,

11 misy vatosoa voalatsaka an-tranontranony, voasokitra toy ny fitomboka, sy voapetaka amin'ny volamena asan'ny mpahay vatosoa, mba ho fampahatsiarovana, fa misy anarana voasoratra araka ny isan'ny fokon'Israely.

12 Nasiany fehiloha volamena ny tiarany, misy izao teny voasokitra izao: Masin'ny Tompo; mari-boninahitra, taozavatra lavorary, hafinaretan'ny maso, fihaingoana kanto.

13 Tsy nisy zavatra toy izany talohany, sady tsy hisy na oviana na oviana koa. Tsy misy olon-kafa mitafy izany, afa-tsy ny zanany ihany, mbamin'ny taranany amin'ny taona mifandimby rehetra.

14 Hatolotra ny sorona dorana, indroa isan'andro tsy tapaka.

15 Moizy no nameno ny tananay, ary nanosotra azy amin'ny diloilo masina. Fanekena mandrakizay izany ho azy, sy ho an'ny taranany, raha mbola maharitra koa ny andron'ny lanitra, mba hanompoany ny Tompo, sy hanefany ny raharahan'ny fisoronana, ary hitsofany rano ny vahoakany, amin'ny anarany.

16 Nofidin'ny Tompo tamin'ny velona rehetra izy, mba hanolotra aminy ny fanatitra, ny zava-manitra, ny fofona manitra ho fahatsiarovana, sy hanaovana ny fanonerana ny fahotan'ny vahoakany.

17 Nomeny azy ao amin'ny didiny, ny fahefana amin'ny fandaharana masina, hampianarany an'i Jakoba ny didiny, sy hanoroany ny lalany amin'Israely.

18 Nisy olon-kafa nioko taminy, sy nialona azy tany an'efitra: dia ny olona niandany tamin'i Datana sy Abirona, ary ny antokon'i Kore, nisafoaka sy niafonafona.

19 Hitan'ny Tompo izany, ka tsy nankasitrahany, ka dia voaringana izy ireo tamin'ny firehetan'ny hatezerany; nanao zava-mahatalanjona namely an'ireny izy, ka nandevona azy tamin'ny lelafon'ny afony.

20 Ary nampitomboiny ny voninahitr'i Aarona, ary nanendry lova ho azy izy. Nomeny ho anjarany ny voaloham-bokatry ny tany; fa voalohany indrindra nanomanany mofo hamokisany azy izy ireo.

21 Ny fanatitra ho an'ny Tompo no niveloman'izy ireo; fa izany no nomeny an'i Aarona sy ny taranany.

22 Tsy mba nanan-dova eo amin'ny tanin'ny vahoaka anefa izy, na anjara eo afovoan'ny firenena, fa izaho no anjaranao sy lovanao, hoy ny Tompo.

23 Finea zanak'i Eleazara, no fahatelo amin'ny voninahitra, noho izy niseho ho mafana fo tamin'ny fahatahorana ny Tompo, ary raha ilay nivadika iny ny vahoaka, izy kosa nijoro tamin'ny herim-pony be voninahitra, sy nanao ny fanonerana ho an'Israely.

24 Izany no nanaovana fanekem-pihavanana taminy, ka nahatonga azy ho lehiben'ny mpisorona sy ny vahoakany, mba hananany izy sy ny taranany mandrakizay ny fiandrianana lehiben'ny fisoronana.

25 Nisy fanekena koa natao tamin'i Davida, zanak'i Jese amin'ny fokon'i Joda, ka ny zanany lahy iray ihany no mifandimby hatrany mandova ny mpanjaka, fa ny lovan'i Aarona kosa dia ny taranany rehetra no mahazo azy.

26 Homen'ny Tompo anareo anie, ry mpisorona lehibe, ny fahendrena ao am-ponareo hitsarana ny vahoakany araka ny rariny, mba tsy ho foana ny fanambinana azy, na ny voninahiny amin'ny taona ho avy!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0891