Bokin'ny Eklesiastika

Toko faha-5

1 Aza miankina amin'izay harenao, ary aza manao hoe: Manan-karena ampy aho!

2 Aza manaraka ny fitsiriritanao sy ny herinao, mba hanafa-po fanirian'ny fonao;

3 ary aza manao hoe: Zovy moa no Tompoko? Fa tsy maintsy hosazin'ny Tompo hianao.

4 Aza manao hoe: Efa nanota, ka inona izao no nanjo ahy? Fa mahari-po ny Tompo.

5 Aza dia afak'ahiahy ny amin'ny fanonerana, ka manampy ota ny ota.

6 Aza manao hoe: Be famindram-po Andriamanitra; ka hamela ny heloka maro be. Fa samy ao aminy ihany ny indrafo sy ny hatezerana; ary mianjera amin'ny mpanota ny fahavinirany.

7 Aza mitaredretra ny hibebaka amin'ny Tompo, ary aza mangatak'andro isan'andro izao, fa hipoaka tampoka ny hatezeran'ny Tompo, ka ho levona hianao amin'ny andro hamaliany.

8 Aza miankina amin'izay harena azo tsy an-drariny, fa tsy hahefa na inona na inona ireny amin'ny andro mahory.

9 Aza mikororoka amin'ny rivotra rehetra, ary aza mandeha amin'ny làlana rehetra, fa izany no fanaon'ny mpanota miroa lela.

10 Miorena amin'ny fihevitrao ary aoka ho tokan-teny hianao.

11 Ny mihaino no aoka hahafaingana anao; fa ny mamaly, aoka hiadana hianao.

12 Raha mahita hevitra hianao, no mamalia ny namanao; fa raha tsy izany kosa, tampeno amin'ny tànanao ny vavanao.

13 Ny voninahitra sy ny henatra, samy ao amin'ny teny; ary ny lelan'ny olona, dia mampidi-doza azy.

14 Aza mihantsy ny antsoina ho mpanaratsy; ary aza mamela-pandrika amin'ny lelanao; fa mianjera amin'ny mpangalatra ny henatra; ary misy fanamelohana mafy mahatratra ny miroa lela.

15 Aza diso na be na kely.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3087