Bokin'ny Eklesiastika

Toko faha-7

1 Aza manao ratsy dia tsy hahazo anao ny ratsy.

2 Alaviro izay tsy an-drariny dia hanalavitra anao ny tsy an-drariny.

3 Anaka, aza mamafy amin'izay nosoritan'ny fahamarinana, raha tsy te-hijinja impito torak'izany hianao.

4 Aza mangataka ny fanapahana amin'ny Tompo, na fitoeram-boninahitra amin'ny mpanjaka.

5 Aza mitady hiseho ho marina eo anatrehan'ny Tompo, na mikendry hiseho ho hendry eo anatrehan'ny mpanjaka.

6 Aza maniry ho tonga mpitsara, fandrao tsy ampy hery hamongotra ny tsy rariny hianao; fandrao dia raiki-tahotra eo anoloan'ny manam-pahefana hianao, ka hilainao hariana ny tsy fiangaranao.

7 Aza manisy ratsy ny mponina rehetra iray tanàna, ary aza miantoraka eo afovoan'ny vahoaka.

8 Aza fehezina indroa ny fahotana, fa na amin'iray tsy ho afa-maina tsy akory hianao.

9 Aza manao hoe: Hodinihin'Andriamanitra ny hamaroan'ny fanatitra, ka rahefa manolotra izany amin'Andriamanitra Avo Indrindra aho, dia horaisiny.

10 Aza osa amin'ny fivavahanao; ary aza manao tsirambina amin'ny fanaovam-piantrana.

11 Aza mandatsa ny olona ory fo, fa misy iray manetry sady manandratra koa.

12 Aza mamoron-dainga hamelezana ny rahalahinao; aza manao izany, hamelezana ny sakaizanao koa.

13 Mitandrema mba tsy hilaza lainga iray akory, fa ny lainga sesilany tsy mihodina ho soa.

14 Aza be teny raha miaraka amin'ny anti-panahy, ary aza mamerimberina ny teny fivavahanao.

15 Aza mankahala ny asa manasatra; na ny asa tany naorin'ny Avo Indrindra.

16 Aza manao ny tenanao ho isan'ny mpanota maro be indrindra; tsarovinao fa tsy ho ela akory ny famaliana.

17 Aoka hanetry mafy tokoa ny fanahinao hianao, fa afo aman-kankana no sazin'ny mpankahala fivavahana.

18 Aza atakalo vola ny sakaiza, na volamenan'i Ofira ny rahalahy.

19 Aza mihodina handao vady manan-tsaina sy tsara fo, fa mihoatra noho ny volamena ny hafinaretana avy aminy.

20 Aza ratsy fitondra ny mpanompo miasa, mahatoky, na ny mpikarama mahafoy tena hanompo anao.

21 Tiavo ny mpanompo manan-tsaina; aza mandà ny mandefa azy.

22 Manana biby fiompy va hianao, kolokoloy izy, ary raha mahasoa anao, andraso ao aminao.

23 Manan-janaka lahy va hianao, ampianaro izy, ary ampanekeo ny zioga izy, hatramin'ny fahazazany.

24 Manan-janaka vavy va hianao, tandremo ny fahadiovany, ary aza manao tarehy mariadriaka aminy hianao.

25 Ampanambadio ny zanakao vavy dia ho afaka amin'ny raharaha lehibe hianao, ary lehilahy manan-tsaina no omeo azy.

26 Manam-bady araka ny fonao va hianao, aza misaotra azy, fa aza manolo-tena ho an'ny vehivavy mifanohitra aminao.

27 Hajao amin'ny fonao rehetra ny rainao; ary aza manadino ny fijalian-dreninao.

28 Tsarovy fa izy ireo no nahatongavanao teto an-tany, ka inona no hamalianao izay nomeny anao?

29 Matahora ny Tompo amin'ny fonao rehetra, ary omeo voninahitra lehibe ny mpisorony.

30 Tiavo amin'ny herinao rehetra ilay nanao anao, ary aza mahafoy ny mpandraharahany.

31 Matahora ny Tompo, ary manajà ny mpisorona; omeo azy ny anjarany, araka ny voadidy hatramin'ny voalohany, dia ny sorona noho ny ota aman-tsoroka fanomezana, ny fanatitra masina amam-boaloham-bokatra.

32 Atsory amin'ny mahantra koa ny tànanao, mba ho feno ny tsodrano azonao.

33 Omeo amin-tarehy tsimitsimina ny velona na iza na iza, ary aza lavinao tsy hasian-tsoa ny maty.

34 Aza diso ny mankeo amin'izay mitomany, ary miaraha ory amin'izay ory.

35 Aza hadinoinao ny fitsaboana marary, fa izany asam-pitiavana izany no hitsaran'Andriamanitra anao.

36 Amin'ny asanao rehetra, tsarovy ny hiafaranao, dia tsy hanota hianao, na oviana na oviana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0568