Bokin'ny Eklesiastika

Toko faha-8

1 Aza mifanditra amin'ny olona manam-pahefana, fandrao dia latsaka eo an-tanany hianao.

2 Aza mifanjihitra amin'ny olona mpanankarena, fandrao ny lanjam-bolany no hoentiny miady aminao; fa efa nahavery olona maro ny volamena, ary efa navaonany mbamin'ny fon'ny mpanjaka aza.

3 Aza mifanditra amin'ny olona basivava, ary aza tohofana kitay ny afony.

4 Aza manao vazivazy amin'ny olona ratsy taiza, fandrao dia afa-baraka ny razanao.

5 Aza mananihany ny olona mivily hiala amin'ny ota; tsarovy fa mendrika hosazina avokoa isika rehetra.

6 Aza maneso olona amin'ny fahanterany; fa ny sasany amintsika, efa miha-antitra ihany koa.

7 Aza mifaly raha misy olona maty, tsarovy fa ho faty avokoa isika.

8 Aza manao tsirambina amin'ny tenin'ny hendry, ary dinidinihonao ny foto-keviny, fa amin'izy ireny no hianaranao ny fahendrena, sy hahaizanao manompo ny lehibe.

9 Aza avela tsy ho henonao ny tenin'ny anti-panahy, fa izy koa dia mba nahare tamin'ny razany; ka amin'izy ireny no hianaranao ny fahendrena, sy hahaizanao mamaly rahefa hilaina izany.

10 Aza mampirehitra ny arin'ny mpanota, fandrao dia levon'ny firedaredan'ny lelafony hianao.

11 Aza mifanandrina amin'ny miavom-bava maneso anao, fandrao amitsahany hianao, iandrasany vava latsaka.

12 Aza mampisambotra an'izay mahery noho hianao, ary raha misy nampisamborinao azy ataovy anisan'ny very.

13 Aza miantoka mihoatra noho izay zakanao; ary raha niantoka hianao manahia ho toy ny handoa.

14 Aza manana ady amin'ny mpitsara, fa noho ny hajany no hanapahan'ny olona ny momba azy.

15 Aza miara-dalana amin'ny olona sahisahy foana, fandrao tonga enta-mavesatra ho anao izy; fa ataony araka ny haitraitrany ny zavatra rehetra. Ka hiara-bery aminy hianao, noho ny hadalany.

16 Aza mifanditra amin'ny olona foizina, ary aza mamaky ny efitra miaraka aminy; fa tsinontsinona eo imasony ny ra latsaka, ka hakapony, lavitry ny vonjy any, hianao.

17 Aza miara-midinika amin'ny adala, fa tsy mahatam-bava izy, na amin'inona na amin'inona.

18 Aza manao zavatra ilaina afenina eo imason'ny vahiny; fa tsy mahalala izay mety hataony hianao.

19 Aza mamboraka ny fonao amin'ny olona rehetra, raha tsy ta-hahazo valy ratsy hianao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0368