Bokin'ny Eklesiastika

Toko faha-9

1 Aza saro-piaro ny vady mandry eo ampofoanao; ary aza mamoha sain-dratsy hahavoa anao ao am-pony.

2 Aza dia mandolotra ny fanahinao amin'ny vadinao, fa hitsanganany hanohitra ny fahefanao izany.

3 Aza mandeha hifanena amin'ny vehivavy janga, fandrao tafalatsaka amin'ny famandrihany hianao.

4 Aza mijanona ela miaraka amin'ny mpirahavavy; fandrao dia voafandriny amin'ny fahaizany hianao.

5 Aza mahari-pijery zazavavy, fandrao hiharan-tsazy noho ny aminy hianao.

6 Aza manolo-tena amin'ny vehivavy janga, fandrao dia very lova hianao.

7 Aza mijerijery atsy amin'ary eny an-dalamben'ny tanana, ary aza misodisody eny amin'ny fitoerany mangingina.

8 Avilio ny masonao tsy ho amin'ny vehivavy bikana, ary aza liam-pijery ny hatsaran-tarehim-behivavy hafa; fa maro no efa sodokan'ny hatsaran-tarehin'ny vehivavy, ka mirehitra ohatra ny afo ny fanirian-dratsiny.

9 Aza miara-mipetraka amim-behivavy manambady, na oviana na oviana; aza mandry ilika hiara-mihinana aminy; aza miara-misotro divay aminy, eo amin'ny fihinanam-be fandrao tafahodina mankaminy ny fonao, ka voatariky ny filan-dratsinao ho amin'ny fahaverezana hianao.

10 Aza mahafoy ny sakaizanao ela, fa tsy mahaleo azy ny vaovao. Na divay vaovao, na sakaiza vaovao, aoka hihantitra vao hosotroinao an-kafaliana.

11 Aza mitsiriritra ny voninahitry ny mpanota, fa tsy fantatrao izay ho faharavany.

12 Aza mankasitraka ny fahafinaretan'ny mpankahala fivavahana, tsarovy fa tsy ho afa-maina izy, hatrany amin'ny seoly.

13 Mitoera lavitry ny olona manam-pahefana hampamono, dia tsy hanan-tahotra ny fahafatesana hianao. Ary raha manatona azy hianao, mitandrema tena amin'ny heloka rehetra, fandrao dia alany ny ainao. Fantaro fa mandeha mamaky ny fandrika hianao, ary mitety eny ambonin'ny nongonongon'ny mandan'ny tanana.

14 Tandremo araka izay azo atao ny namanao, ka maka saina amin'izay hendry.

15 Miresaha amin'ny olona manan-tsaina, ary ny amin'ny lalan'ny Avo Indrindra, no ho foto-dresakao rehetra.

16 Aoka ny olo-marina no ho mpiara-mihinana aminao; ary ny fahatahorana an'Andriamanitra no ataovy voninahitrao.

17 Ny tanan'ny olona kinga no hiderana ny asany, ary ny tenin'ny mpitondra vahoaka no manambara azy ho hendry.

18 Ny tsaontsaom-bava, dia atahorana ao an-tananany, ary ny tsy mihevitra kosa, mihatsy fankahalana azy amin'ny resany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1197