Eksaody

Toko faha-11

1 Ary hoy Iaveh tamin'i Moizy: Loza iray sisa hameliko an'i Faraona sy Ejipta, fa rahefa afaka izany, dia halefany hiala aty hianareo; ary rahefa handefa anareo tokoa izy, dia horoahiny aza hianareo hiala aty.

2 Koa ilazao ny vahoaka mba samy hangataka firavaka volafotsy sy firavaka volamena avy, ny lehilahy amin'ny lehilahy mifanolotra aminy; ny vehivavy amin'ny vehivavy mifanolotra aminy. 3 Dia nataon'ny Tompo nahita fitia teo imason'ny Ejipsiana ny vahoaka; ary Moizy aza dia tonga nanan-kaja indrindra tany an-tany Ejipta, na tamin'ny mpanompon'i Faraona na tamin'ny vahoaka. 4 Hoy Moizy: Izao no lazain'ny Tompo: Rahefa misasaka ny alina dia handalo hamaky an'i Ejipta aho,

5 ka ho faty ny lahimatoa rehetra eto amin'ny tany Ejipta, hatramin'ny lahimatoan'i Faraona mipetraka eo amin'ny seza fiandrianany, ka hatramin'ny lahimatoan'ny andevovaviny eo am-pototry ny vato fitotoam-bary, mbamin'ny lahy voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra. 6 Hisy fidradradradrana mafy eran'ny tany Ejipta rehetra, izay tsy mbola nisy toa azy ary tsy hisy toa azy intsony. 7 Fa eo amin'ny zanak'Israely rehetra kosa, tsy mba hisy hanetsika ny lelany, na olona na biby, na dia alika iray aza, mba hahafantaranao izay mahasamihafa ny iheveran'ny Tompo an'i Ejipta sy an'Israely. 8 Izay ny mpanomponao rehetra etoana dia hidina hankany amiko sy hiankohoka eo anatrehako, ka hanao hoe: Mandehana any avokoa, hianao sy ny vahoaka rehetra manaraka anao. Ary izay koa aho vao handeha. Dia tamim-pahatezerana mirehitra no nivoahan'i Moizy avy ao amin'i Faraona. 9 Hoy Iaveh tamin'i Moizy nanao hoe: Tsy hihaino anareo Faraona mba hahamaro ny fahagagana hataoko amin'ny tany Ejipta.

10 Nanao ireo fahagagana rehetra ireo teo anatrehan'i Faraona Moizy sy Aarona ary nohamafisin'ny Tompo ny fon'i Faraona, ka tsy navelany hiala amin'ny taniny ny zanak'Israely.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0445