Eksaody

Toko faha-12

1 Izao no nolazain'ny Tompo tamin'i Moizy sy Aarona any amin'ny tany Ejipta:

2 Ity volana ity no aoka ho fiandoham-bolana ho anareo; dia ho voaloham-bolana amin'ny taona izany ho anareo. 3 Ary mitenena amin'ny fiangonan'Israely rehetra ataovy hoe: Amin'ny andro fahafolon'ity volana ity, samia hianareo maka zanak'ondry iray avy isam-pianakaviana, zanak'ondry iray isan-trano. 4 Raha vitsy loatra ny iray trano ka tsy mahalany zanak'ondry iray dia hikambanany amin'izay namany akaiky azy indrindra izy arakaraka ny isan'ny olona, fa araka izay tokony hohanin'ny olona iray no hanisanareo ny olona hihinana an'io zanak'ondry io. 5 Dia ho zanak'ondry tsy misy kilema sady lahy ary efa herintaona; ny halainareo dia zanak'ondry na zanak'osy. 6 Dia hotananareo izy hatramin'ny andro fahefatra ambin'ny folon'io volana io vao samy hamono azy ny fiangonan'Israely rehetra, amin'ilay àty takariva iny. 7 Hangalana ny rany, hatentina amin'ny tolàna roa sy ny tataom-baravaran'ny trano hihinanana azy; 8 ary hohanina amin'io alina io ihany ny nofony. Voatsatsika amin'ny afo no hihinanana azy miaraka amin'ny mofo tsy misy lalivay sy anana mangidy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1019