Eksaody

Toko faha-14

15 Ary hoy Iaveh tamin'i Moizy: Nahoana no mitaraina amiko hianao? Ilazao ny zanak'Israely mba hiainga. 21 Nony nahinjitr'i Moizy teo ambonin'ny ranomasina ny tànany dia nohemorin'ny Tompo ny ranomasina tamin'ny rivotra nifofofofo mafy avy any atsinanana nandritra ny alina, ka nataony tonga maina ny ranomasina fa nisaraka roa ny rano.

22 Dia niditra teo afovoan'ny ranomasina efa tonga maina ny zanak'Israely ary zary rindrina ho azy ireo eo an-kavanany sy an-kaviany ny rano. 23 Nanenjika azy ny Ejipsiana, ka niditra nanaraka azy teo afovoan'ny ranomasina avokoa ny soavalin'i Faraona mbamin'ny kalesy amam-pitaingin-tsoavaliny. 24 Ary tamin'ny fotoan'ny fiambenana maraina dia nitodika ny Ejipsiana Iaveh tao amin'ny andry afo aman-tsetroka, dia nandatsaka fangorohoroana tao amin'ny tobin'ny Ejipsiana. Nataony nitsoaka tamin'ny kalesiny ny kodiarana ka saika tsy afa-nandroso intsony. 25 Ary hoy ny Ejipsiana tamin'izay: Andeha handositra eo anoloan'Isrealy isika, fa Iaveh no miady ho azy, mamely ny Ejipsiana. 26 Ary hoy Iaveh tamin'i Moizy: Ahinjiro eo ambonin'ny ranomasina ny tànanao, hikatonan'ny rano amin'ny Ejipsiana sy ny kalesy amam-pitaingin-tsoavaliny.

27 Dia nahinjitr'i Moizy teo ambonin'ny ranomasina ny tànany, ka vao nangirana ny andro dia nody tamin'ny toerany andavanandro ny ranomasina. Nandositra ny Ejipsiana ka tojo azy, ka dia navarin'ny Tompo tao anaty ranomasina ny Ejipsiana. 28 Nony nikatona ny rano dia nanafotra ny kalesy amam-pitaingin-tsoavaly mbamin'ny tafik'i Faraona rehetra izay niditra ny ranomasina nanaraka ny zanak'Israely: tsy nisy afa-nandositra na dia singany iray aza. 29 Ny zanak'Israely anefa nandia tany maina teo afovoan'ny ranomasina, fa zary rindrina ho azy ireo ny rano, eo an-kavanany sy eo an-kaviany. 30 Koa novonjen'ny Tompo ho afaka tamin'ny tànan'ny Ejipsiana Israely tamin'izany andro izany, ary Israely nahita ny fatin'ny Ejipsiana teny amoron-dranomasina.

31 Hitan'Israely ny tànana maherin'ny Tompo nasehony tamin'ny namelezany ny Ejipsiana, ka natahotra an'ny Tompo ny vahoaka, ary nino an'ny Tompo sy Moizy mpanompony.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0532