Eksaody
Toko faha-14
5 Nilazana ny mpanjakan'i Ejipta fa hoe: lasa nandositra ny vahoaka. Tamin'izay dia voaova ny fon'i Faraona sy ny mpanompony, ny amin'ny vahoaka, fa hoy izy ireo: Naninona ity isika no nandefa an'Israely handeha, ka namoy ny fanompoany antsika?6 Dia nasain'i Faraona nasiana soavaly ny kalesiny ary nentiny niaraka taminy ny vahoakany. 7 Ny nentiny dia kalesy voafantina enin-jato, sy ny kalesy tao Ejipta rehetra, samy nisy mpifehy avy. 8 Nohamafisin'ny Tompo ny fon'i Faraona, mpanjakan'i Ejipta, ka nanenjika ny zanak'Israely Faraona, ary tamin'ny tànana voasandratra no nivoahan'ny zanak'Israely. 9 Koa nanenjika azy ny Ejipsiana ka nahatratra azy tao akaikin'ny ranomasina izay nitobiany: nahatratra azy teo akaikin'i Fihahirota, tandrifin'i Beelsefona avokoa ny soavaly mpitarika kalesin'i Faraona sy ny mpitaingin-tsoavaly mbamin'ny tafiny rehetra. 10 Nony mby akaiky Faraona, natopin'ny zanak'Israely ny masony, dia indreo tamy nanaraka azy ny Ejipsiana, ka raiki-tahotra mafy ny zanak'Israely, sy velon-taraina tamin'ny Tompo.
11 Ary nanao tamin'i Moizy hoe: Tsy misy fasana va tany Ejipta, no dia nentinao ho faty aty an'efitra izahay? Ahoana izao nataonao taminay izao ka navoakanao tany Ejipta? 12 Moa tsy itony indrindra va no nilazanay taminao tany Ejipta hoe: Avelao ihany izahay hanompo ny Ejipsiana fa tsaratsara kokoa ho anay ny manompo azy, toy izay ho faty any an'efitra. 13 Fa hoy kosa Moizy tamin'ny vahoaka: Aza matahotra fa mipetraha tsara eo ka zahao ny famonjena hataon'ny Tompo aminareo anio; fa ireo Ejipsiana hitanareo anio ireo tsy ho hitanareo intsony mandrakizay. 14 Iaveh no hiady ho anareo, fa hianareo mipetraha tsy amin'ahiahy. 15 Ary hoy Iaveh tamin'i Moizy: Nahoana no mitaraina amiko hianao? Ilazao ny zanak'Israely mba hiainga. 16 Hianao manaingà ny tehinao sy maninjira ny tànanao eo ambonin'ny ranomasina dia hampisaraka roa azy; ary ny zanak'Israely kosa hamaky eo afovoany mandia tany maina, 17 ary izaho hanamafy ny fon'ny Ejipsiana hanarahany azy ireo avy ao aoriana, ary hataoko miharihary ny voninahitro ao amin'i Faraona sy ny tafiny rehetra, mbamin'ny kalesiny amam-pitaingin-tsoavaliny. 18 Ka ho fantatry ny Ejipsiana fa Iaveh aho, rahefa hanehoako ny voninahitro Faraona sy ny kalesy amam-pitaingin-tsoavaliny.