Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Eksaody

Eksaody toko 15, 1b-2
Tonon-kiran'i Moizy.

       1Tamin'izany Moizy sy ny zanak'Israely nanao izao hira izao tamin'ny Tompo. Hoy izy:

Hihira ho an'ny Tompo aho, fa efa naneho ny voninahiny izy;
Nariany any an-dranomasina ny soavaly amam-pitaingina azy.
       2Iaveh no heriko sy fototry ny tonon-kirako,
Izy no namonjy ahy.
Izy no Andriamanitro, ka hankalazaiko,
Sady Andriamanitry ny raiko, ka hoderaiko. >