Eksaody
Toko faha-15
8 Noho ny fofon'ain'ny vavoronao, Niangona niavosa ny rano, Niantsavovona ny onjan-drano; Raikitra nandry tao anaty mason-dranomasina ny alon-drano.9 Hoy ny fahavalo: Hanenjika, ka hahatratra, Dia hizara babo aho, Ho afa-diana aho amin'ny valy fatiko. Hotsoahako ny sabatra dia haringan'ny tànako ireny.
10 Kanjo vao notsofin'ny fofon'ainao dia safotry ny rano izy, Ka nilentika toy ny firaka anatin'ny ranomasim-be.
12 Naninjitra ny tananao havanana hianao, dia nitelina an'ireny ny tany.
17 Hitondra sy hamponina azy hianao Eo amin'ny tendrombohitry ny lovanao, Dia eo amin'ilay toerana nataonao ho fonenanao, ry Tompo o, Eo amin'ny fitoerana masina namboarin'ny tananao, ry Tompo o!