Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Eksaody

Eksaody toko 15, 1b-2,3-4,5-6,17-18,
Tonon-kiran'i Moizy.

       1Tamin'izany Moizy sy ny zanak'Israely nanao izao hira izao tamin'ny Tompo. Hoy izy:

Hihira ho an'ny Tompo aho, fa efa naneho ny voninahiny izy;
Nariany any an-dranomasina ny soavaly amam-pitaingina azy.
       2Iaveh no heriko sy fototry ny tonon-kirako,
Izy no namonjy ahy.
Izy no Andriamanitro, ka hankalazaiko,
Sady Andriamanitry ny raiko, ka hoderaiko.
       3Mpiady mahery Iaveh,
Ary Iaveh no anarany.
       4Ny kalesy aman-tafik'i Faraona navariny an-dranomasina;
Ny kapiteny voafantina natelin'ny ranomasina Mena;
       5Nosaforan'ny rano ireny,
Nilentika amin'ny farany ambany toy ny vato izy ireo.
       6Tompo o! nigagana noho ny heriny ny tànanao havanana,
Tompo o! nanorotoro ny fahavalo ny tànanao havanana.
       17Hitondra sy hamponina azy hianao
Eo amin'ny tendrombohitry ny lovanao,
Dia eo amin'ilay toerana nataonao ho fonenanao, ry Tompo o,
Eo amin'ny fitoerana masina namboarin'ny tananao, ry Tompo o!
       18Hanjaka mandrakizay doria Iaveh! >