Eksaody

Toko faha-16

2 Nimonomonona tamin'i Moizy sy Aarona tao an'efitra ny fiangonan'ny zanak'Israely rehetra. 3 Hoy ny zanak'Israely tamin'izy ireo hoe: Inay anie izahay mba matin'ny tànan'ny Tompo tany an-tany Ejipta, raha ilay nipetraka teo anelanelan'ny vilany feno hena sy nihinana mofo mandra-pahavoky iny izahay; fa izao kosa nentinareo aty an'efitra izahay mba hahafaty mosary izao vahoaka be izao. 4 Dia hoy Iaveh tamin'i Moizy: Indro aho handatsaka mofo avy any an-danitra ho anareo. Hivoaka ny olona ka isan'andro dia hanangona izay sahaza hohaniny amin'ny indray andro, mba hizahako toetra azy, na handeha araka ny lalàko izy ireo na tsia.

5 Amin'ny andro fahenina, homaniny izay efa nangoniny, ka hisy indroa toraky ny fanangony isan'andro. 6 Koa hoy Moizy sy Aarona tamin'ny zanak'Israely rehetra: Ho fantatrareo anio hariva, fa Iaveh no namoaka anareo tany Ejipta,

7 ary ho hitanareo raha maraina ny voninahitry ny Tompo, satria reny ny fimonomononanareo tamin'ny Tompo, fa izahay moa no inona no izahay no imonomononanareo? 8 Hoy koa Moizy: Ho hitanareo izany amin'ny hanomezan'ny Tompo anareo hena hohanina anio hariva, ary mofo hahavoky raha maraina; satria ren'ny Tompo ny nimonomononanareo taminy. Fa ny aminay izahay moa no inona? tsy izahay no iharanan'ny fimonomononanareo fa Iaveh ihany. 9 Ary hoy Moizy tamin'i Aarona: Lazao amin'ny fiangonan'ny zanak'Israely rehetra hoe: Manatòna eo anatrehan'ny Tompo hianareo, fa efa reny ny fimonomononanareo.

10 Mbola miteny amin'ny fiangonan'ny zanak'Israely rehetra eo Aarona, no nitodika ny efitra ireo, ka indro niseho teo amin'ny rahona ny voninahitry ny Tompo. 11 Dia hoy Iaveh tamin'i Moizy: 12 Reko ny fimonomononan'ny zanak'Israely, ka lazao azy ireo hoe: Amin'ny àty takariva hianareo dia hihinan-kena; ary raha maraina koa dia hivoky mofo, ka ho fantatrareo fa izaho no Iaveh Andriamanitrareo. 13 Nony hariva indreny nisy papelika niakatra nandrakotra ny toby; maraina indray, nisy ando matevina nanodidina ny toby.

14 Vao levona ny ando, dia indro hita mandrakotra ny efitra zava-madinika mandrotsirotsy madinidinika toy ny fanala eo amin'ny tany. 15 Nahita ireny ny zanak'Israely dia nifanontany hoe: Inona itony? satria tsy fantany. Hoy Moizy tamin'izy ireo: Itony no mofo omen'ny Tompo ho fihinanareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1851