Eksaody

Toko faha-17

3 Teo ihany anefa ny vahoaka main'ny hetaheta, ka nimonomonona tamin'i Moizy nanao hoe: Ahoana no nampiakaranao anay hiala tany Ejipta, hahafatin'ny hetaheta anay sy ny zanakay mbamin'ny bibinay? 4 Dia nitaraina tamin'ny Tompo Moizy nanao hoe: Inona no hataoko ho an'ity vahoaka ity, fa kely foana sisa tsy hitorahany vato ahy? 5 Ary hoy Iaveh tamin'i Moizy: Mialohà ny vahoaka ka ento hiaraka aminao ny loholon'Israely, ataovy an-tànanao koa ny tehinao nikapohanao ny ony, dia mandehana. 6 Fa indro aho hitsangana eo anoloanao ao amin'ilay vatolampy izay any Horeba; hikapoka ny vatolampy hianao, dia hivoaka rano ary hisotro ny vahoaka. Nataon'i Moizy teo anatrehan'ny loholon'Israely izany, 7 ary nomeny anarana hoe: Masah sy Meribah io fitoerana io, fa nila kisa ny zanak'Israely, sy naka fanahy an'ny Tompo nanao hoe: Eto afovoantsika ve Iaveh sa tsia?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1044