Eksaody

Toko faha-17

8 Amaleka nandroso hanafika an'Israely tao Rafidima, ka hoy Moizy tamin'i Josoe:

9 Mifantena lehilahy hianao dia handeha hiady amin'i Amaleka; izaho kosa rahampitso hijoro eo an-tampon'ny havoana, mitana ny tehin'Andriamanitra ao an-tànako. 10 Dia nataon'i Josoe izay nandidian'i Moizy azy, dia niady amin'i Amaleka izy; fa Moizy sy Aarona ary Hora kosa niakatra tany an-tampon'ny havoana. 11 Raha nasandratr'i Moizy ny tànany dia Israely no nahery; fa raha nitambotsotra kosa ny tànany, Amaleka no nahomby. 12 Nony efa vizana ny tànan'i Moizy, naka vato izy ireo, nataony teo ambaniny, dia nipetrahany, ary Aarona sy Hora kosa nanohana ny tànany avy eo ankilany avy, ka tsy niketraka intsony ny tànany mandra-pilentiky ny masoandro. 13 Dia resin'i Josoe tamin'ny lelan-tsabatra Amaleka sy ny olony.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1124