Eksaody

Toko faha-19

2 Efa niala tany Rafidima izy; ary nony tonga tamin'ny efitr'i Sinaia, dia nitoby tao an'efitra; tandrifin'ny tendrombohitra no nitobian'Israely. 3 Niakatra ho ao amin'Andriamanitra Moizy, dia nantsoin'ny Tompo tao an-tampon-tendrombohitra izy, ka nilazany hoe: Izao no holazainao amin'ny taranak'i Jakoba sy hambaranao amin'ny zanak'Israely:

4 Hitanareo ny nataoko tamin'i Ejipta, sy ny nitondrako anareo tamin'ny ela-boromahery, ary ny nitarihako anareo ho aty amiko. 5 Koa ankehitriny, raha mihaino ny feoko hianareo, sy mitandrina ny fanekeko dia ho vahoakako manokana eo amin'ny firenena rehetra, satria ahy ihany ny tany rehetra, 6 fa hianareo no ho fanjakam-pisorona sy firenena masina ho ahy. Izany no teny holazainao amin'ny zanak'Israely.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0673