Eksaody

Toko voalohany

8 Fa nisy kosa mpanjaka vaovao, tsy nahalala an'i Josefa, nanjaka tamin'i Ejipta.

9 Hoy izy tamin'ny vahoakany: Tonga vahoaka be sy mahery noho isika ireto, ny zanak'Israely. 10 Ka handeha ataovy izay hiarovantsika tena aminy, fandrao mitombo izy; ary raha misy ady tonga tampoka, dia hikambana amin'ny fahavalo hamely antsika izy, dia hivoaka hiala amin'ny tany. 11 Ka dia nanendry mpifehy hampanao fanompoana an'Israely izy, mba hamoritra azy amin'ny asa mafy; izany no nahavitana tanĂ na, natao fitehirizan-javatra ho an'i Faraona dia Pitaoma sy Ramsesa. 12 Kanjo, araka ny namoretana azy no vao mainka nitomboany sy nihamaroany kosa, ka tonga nankahalain'ny olona ny zanak'Israely. 13 Nampiasain'ny Ejipsiana an-tery vozona ny zanak'Israely, 14 nampangidiny ny fiainan'izy ireo tamin'ny asa mafy dia mafy, dia tamin'ny feta, biriky, asa an-tsaha isan-karazany rehetra, izay asa nanereny azy tamin-kalozana. 22 Ary Faraona nandidy ny vahoaka rehetra, nanao hoe: Atsipazo any anaty ony ny zazalahy teraka rehetra fa ny zazavavy avelao ho velona.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1186