Eksaody

Toko faha-20

1 Ary Andriamanitra nanonona ireto teny rehetra ireto nanao hoe:

2 Izaho no Iaveh Andriamanitrao, izay namoaka anao tany amin'ny tany Ejipta, tany amin'ny trano fanandevozana. 3 Tsy hanana andriamani-kafa eo anatrehako hianao. 4 Tsy hanao sarin-javatra voasokitra ho anao, na sary fampisehoana ny zavatra eny amin'ny lanitra ambony, na ny eny amin'ny tany ambany, na ny any amin'ny rano ambanin'ny tany.

5 Tsy hiankohoka eo anatrehan'ireny na hanompo azy akory hianao, fa izaho Iaveh Andriamanitrao dia Andriamanitra saro-piaro, ka amin'izay mankahala ahy, mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny taranaka fahatelo sy fahefatra, 6 ary amin'izay tia ahy sy mitandrina ny didiko kosa, mamindra fo hatramin'ny taranaka faharivo. 7 Tsy hanonom-poana ny anaran'ny Tompo Andriamanitrao, fa tsy havelan'ny Tompo tsy ho voasazy izay manonom-poana ny anarany.

8 Tsarovy ny andro Sabata mba hanamasina azy.

9 Ny andro enina no hiasanao sy hanaovanao ny taozavatrao. 10 Fa ny andro fahafito dia Sabata voatokana ho an'ny Tompo Andriamanitrao; tsy hanao asa na inona na inona, na ny tenanao, na ny zanakao lahy na ny zanakao vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao, na ny biby fiompinao, na ny vahiny izay tafiditra ny vavahadinao. 11 Satria ny andro enina no nanaovan'ny Tompo ny lanitra, ny tany, ny ranomasina, mbamin'izay rehetra ao aminy, fa ny andro fahafito dia nitsaharany, ka izany no nanasoavan'ny Tompo ny andro Sabata sy nanamasinany azy. 12 Manajà ny ray aman-dreninao mba ho lava andro hianao any amin'ny tany omen'ny Tompo Andriamanitrao anao.

13 Tsy hamono olona hianao.

14 Tsy hijangajanga hianao.

15 Tsy hangalatra hianao.

16 Tsy hitsangan-ko vavolombelona mandainga hamely ny namanao hianao.

17 Tsy hitsiriritra ny tranon'ny namanao hianao, tsy hitsiriritra ny vadin'ny namanao, na ny ankizilahiny na ny ankizivaviny, na ny ombiny na ny ampondrany, na inona na inona amin'ny zavatry ny namanao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.167