Eksaody

Toko faha-23

20 Indro aho maniraka anjely eo alohanao, hiaro anao eny an-dàlana sy hahatonga anao any amin'ny toerana nomaniko.

21 Mitandrema tena eo anatrehany ary henoy ny feony; aza manohitra azy, fa tsy hamela ny fandikanareo ny didiny izy, satria ny anarako no ao aminy. 22 Fa raha mihaino ny feony kosa hianao, ka manao izay rehetra holazaiko, dia ho fahavalon'ny fahavalonao aho, sy ho rafin'ny rafinao. 23 Fa handeha eo alohanao ny anjeliko hitondra anao ho any amin'ny Amoreana, ny Heteana, ny Ferezeana, ny Kananeana, ny Heveana ary ny Jeboseana, dia haringako ireny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0452