Eksaody

Toko faha-24

1 Ary hoy Andriamanitra tamin'i Moizy: Miakara aty amin'ny Tompo hianao sy Aarona. Nadaba sy Abio, ary loholona fito-polo amin'Israely, ka mbola lavitra dia miankohofa.

2 Moizy irery no hanakaiky an'ny Tompo, fa ireo hafa tsy hanakaiky; ary ny vahoaka tsy hiara-miakatra aminy. 3 Dia tonga Moizy, nitondra tamin'ny vahoaka ny tenin'ny Tompo rehetra sy ny lalàna rehetra, ka indray niredona ny vahoaka ka namaly hoe: Izay teny rehetra voalazan'ny Tompo dia hotanterahinay avokoa.

4 Nosoratan'i Moizy avokoa ny tenin'ny Tompo. Dia nifoha maraina koa izy, nanorina otely teo am-pototry ny tendrombohitra sy nanangana tsangam-bato roa ambin'ny folo ho an'ny fokon'Israely roa ambin'ny folo.

5 Ary naniraka zatovolahy zanak'Israely izy, ka nanolotra sorona dorana tamin'ny Tompo ireo sy namono ombalahy hatao sorom-pisaorana. 6 nalain'i Moizy ny antsasaky ny rà nataony teo amin'ny tany, ary ny antsasany nararany teo ambony otely. 7 Izay vao nalainy ny bokin'ny fanekena ary novakiny teo anatrehan'ny vahoaka, izay namaly hoe: Hataonay sy hoekenay avokoa izay rehetra voalazan'ny Tompo. 8 Dia nalain'i Moizy ny rà, nafafiny tamin'ny vahoaka sy nolazainy hoe: Ity no ràn'ny fanekena nataon'ny Tompo taminareo momba izany teny rehetra izany. 9 Niakatra Moizy, nomban'i Aarona sy Nadaba ary Abio mbamin'ny fito-polo lahy tamin'ny loholon'Israely,

10 ary nahita ny Andriamanitr'Israely izy ireo: teo ambanin'ny tongony dia nisy toa zavatra voavoatra natao tamin'ny safira mamirapiratra, zavatra mangarangarana toy ny lanitra. 11 Tsy naninjitra ny tànany tamin'ireo olom-boafidin'ny zanak'Israely izy: dia nahita an'Andriamanitra ireo, ka nihinana sy nisotro. 12 Ary hoy Iaveh tamin'i Moizy: Miakara aty amiko eto an-tendrombohitra ka mijanòna eo, fa homeko anao ny vato fisaka, ny didy aman-dalàna nosoratako hampianarina azy ireo.

13 Dia niainga Moizy nomban'i Josoe mpanompony, nandroso nankeo an-tendrombohitr'Andriamanitra. 14 Hoy izy tamin'ireo loholona: Andraso eto izahay, mandra-piverinay aty aminareo. Ary indreo Aarona sy Hora eto aminareo, ka raha misy manana ady dia aoka hanatona azy ireo. 15 Niakatra tao an-tendrombohitra Moizy, ary nosaronan'ny rahona ny tendrombohitra.

16 Nipetraka teo an-tendrombohitra Sinaia ny voninahitry ny Tompo ka saron'ny rahona io nandritra ny henemana. Tamin'ny andro fahafito dia nantsoin'ny Tompo Moizy, tao anatin'ny rahona. 17 Toy ny afo midedadeda teo an-tampon-tendrombohitra no fisehon'ny voninahitry ny Tompo tamin'ny zanak'Israely. 18 Niditra tao anatin'ny rahona Moizy, dia niakatra tao an-tendrombohitra, ka nijanona teo an-tendrombohitra efa-polo andro sy efa-polo alina Moizy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1184