Eksaody

Toko faha-24

3 Dia tonga Moizy, nitondra tamin'ny vahoaka ny tenin'ny Tompo rehetra sy ny lalàna rehetra, ka indray niredona ny vahoaka ka namaly hoe: Izay teny rehetra voalazan'ny Tompo dia hotanterahinay avokoa.

4 Nosoratan'i Moizy avokoa ny tenin'ny Tompo. Dia nifoha maraina koa izy, nanorina otely teo am-pototry ny tendrombohitra sy nanangana tsangam-bato roa ambin'ny folo ho an'ny fokon'Israely roa ambin'ny folo.

5 Ary naniraka zatovolahy zanak'Israely izy, ka nanolotra sorona dorana tamin'ny Tompo ireo sy namono ombalahy hatao sorom-pisaorana. 6 nalain'i Moizy ny antsasaky ny rà nataony teo amin'ny tany, ary ny antsasany nararany teo ambony otely. 7 Izay vao nalainy ny bokin'ny fanekena ary novakiny teo anatrehan'ny vahoaka, izay namaly hoe: Hataonay sy hoekenay avokoa izay rehetra voalazan'ny Tompo. 8 Dia nalain'i Moizy ny rà, nafafiny tamin'ny vahoaka sy nolazainy hoe: Ity no ràn'ny fanekena nataon'ny Tompo taminareo momba izany teny rehetra izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0523