Eksaody

Toko faha-26

1 Ny hanaovana ny Fonenana dia ambainy folo; ny hanaovana azy ireo dia amin'ny rongony madinika voahasina, sy amin'ny jaky volomparasy, amin'ny jaky mangatrakatraka, ary amin'ny lamba mena antitra, asiana kerobima, asan-tànan'ny mpanenona mahay.

2 Valo amby roapolo hakiho ny halavan'ny ambainy iray, ary efatra hakiho ny sakan'ny ambainy iray, ary hampitoviana daholo ny haben'ny ambainy rehetra. 3 Havitrana ho iray ny ambainy dimy, dia havitrana ho iray koa ny ambainy dimy hafa. 4 Hasianao tadivavarana jaky volomparasy ny sisiny iafaran'ireo ambainy navitrana voalohany ireo, dia hasianao toy izany koa ny sisiny iafaran'ireo ambainy navitrana faharoa. 5 Hataonao dimam-polo ny tadivavarana amin'ny ambainy voalohany, ary hataonao dimam-polo koa ny tadivavarana amin'ny sisiny iafaran'ny ambainy navitrana faharoa, ary hifanandrify ireo tadivavarana ireo. 6 Dia hanao jaigirafy volamena dimam-polo hampifanakambananao ny ambainy, mba ho voavoatra ho iray ihany ny Fonenana. 7 Hanao ambainy amin'ny volon'osy koa hianao, hatao lay ao ambonin'ny Fonenana, hataonao iraika ambin'ny folo ambainy izy,

8 telo-polo hakiho no ho lavan'ny ambainy iray, ary efatra hakiho no ho sakan'ny ambainy iray; ampitoviana daholo ny haben'ireo ambainy iraika ambin'ny folo ireo. 9 Ny ambainy dimy amin'izy ireo havitranao manokana; ary ny enina sisa havitranao manokana koa, ary haforitrao eo anoloan'ny lay ny ambainy fahenina. 10 Hasianao tadivavarana dimam-polo ny vavan'ny ambainy sisin'ireo navitrana voalohany ary dimam-polo koa amin'ny vavan'ireo navitrana faharoa. 11 Dia hanao jaigirafy varahina dimam-polo hianao, hampidirinao amin'ny tadivavarana ny jaigirafy mba hanakambananao ny lay ho iray ihany. 12 Ny ambiny tafahoatra amin'ny ambain'ny lay, izany hoe ny antsasaky ny ambainy, dia hiraviravy eo ivohon'ny Fonenana; 13 ary ny ambiny amin'ny halavan'ny ambainy dia ny hakiho iray amin'ny laniny iray, ny hakiho iray amin'ny laniny iray, dia hiraviravy avy eo an-daniny roa amin'ny Fonenana, handrakotra azy. 14 Hanao rakony hoditr'ondralahy voasoka mena hianao hatao amin'ny lay, ary rakony hodi-dogaona koa eo ambonin'io.

15 Hanao hazo fisaka koa hianao hatao amin'ny Fonenana, hazo fisaka amin'ny akasià dia hatsangana izany.

16 Hatao folo hakiho avy no halavan'ny hazo fisaka iray, ary iray hakiho sy sasany ny sakany. 17 Hisy lahiny roa avy, amin'ny hazo fisaka iray, ka hatao izay hifandraisany; ka hataonao toy izany avokoa ny hazo fisaka amin'ny Fonenana. 18 Hanao ny hazo fisaka hatao amin'ny Fonenana hianao; hazo fisaka roa-polo ho an'ny lafiny atsimo, an-kavanana izany. 19 Hasianao faladia volafotsy efa-polo ny fanambanin'ireo hazo fisaka roa-polo ireo, dia faladia roa isan-kazo fisaka izany, no an'ny lafiny roa avy. 20 Ny lafiny anankiray amin'ny Fonenana dia ny lafiny avaratra, hanaovanao hazo fisaka roa-polo koa, 21 mbamin'ny faladia volafotsy efa-polo; faladia roa ambanin'ny hazo fisaka tsirairay avy. 22 Hanao hazo fisaka enina hianao hatao amin'ny faran'ny Fonenana amin'ny lafiny andrefana, 23 hanao hazo fisaka roa hianao hatao amin'ny zoron'ny Fonenana, ao amin'ny farany, 24 dia hakambana tsiroaroa hatraty ambany ireo ka hatao miray tsara hatrany ambony amin'ny masom-bola voalohany. Toy izany no hanaovana azy roa avy; hatao amin'ny zorony roa. 25 Dia ho hazo fisaka valo izy izany mbamin'ny faladiany volafotsy, faladia enina ambin'ny folo, faladia roa avy isam-panambanin'ny hazo fisaka iray. 26 Hanao barany akasià hianao; ny dimy hatao amin'ny hazo fisaka amin'ny lafiny anankiray amin'ny Fonenana. 27 Ny dimy koa hatao amin'ny hazo fisaka amin'ny lafiny faharoa amin'ny Fonenana; ary ny dimy hatao amin'ny hazo fisaka amin'ny lafiny farany amin'ny Fonenana, amin'ny andrefana. 28 Ny barany afovoany hatao manaraka ny hazo fisaka, mahatratra ny sisiny roa. 29 Petaho takela-bolamena ny hazo fisaka; ataovy volamena ny masom-bola hitoerana'ny barany, ary petaho takela-bolamena ny barany. 30 Ataovy toy ny marika naseho anao tany an-tendrombohitra no fananganana ny Fonenana. 31 Manaova efitra lamba amin'ny jaky volomparasy sy jaky mangatrakatraka sy lamba mena antitra ary rongony fotsy madinika voahasina, asiana sarin-kerobima, asan-tànan'ny mpanenona mahay;

32 ka ahantòny amin'ny andry hazo akasià efatra, samy voapetaka takela-bolamena sy misy faraingo volamena ary miorina amin'ny faladia volafotsy efatra. 33 Apetaho ambonin'ny jaigirafy ny efitra lamba, ka dia ao indrindra no hampidiranao ny fiarana'ny vavolombelona ao ivohon'ny efitra lamba; fa ny efitra lamba no hampisaraka eo imasonareo ny Fitoerana Masina sy ny Fitoerana Masina indrindra. 34 Hataonao eo ambonin'ny fiaran'ny vavolombelona ny fanaovam-panavotana, amin'ny Fitoerana masina indrindra. 35 Hapetrakao eo ivelan'ny efitra lamba ny latabatra, ary eo anoloan'ny latabatra, amin'ny lafiny atsimo amin'ny Fonenana, ny fanaovan-jiro, fa amin'ny avaratra no hametrahanao ny latabatra. 36 Ny fidirana ao amin'ny lay, dia anaovy efitra lamba amin'ny jaky volomparasy sy jaky mangatrakatraka sy lamba mena antitra ary rongony fotsy madinika voahasina, voatenona amin'ny soratra maro samihafa.

37 Hanaovanao andry akasià dimy io varavarana lamba io, ka petahanao takela-bolamena ny andry sy hasianao faraingo volamena; ary handrendrika varahina hatao faladiany dimy hianao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0884