Eksaody

Toko faha-28

1 Asaovy manatona anao Aarona rahalahinao, mbamin'ny zanany, ao amin'ny zanak'Israely, mba ho mpisorona amin'ny fanompoana ahy, dia Aarona, Nadaba, Abiò, Eleazara, ary Hamora, zanak'i Aarona.

2 Manaova fanamiana masina ho an'i Aarona, rahalahinao, ho mariky ny fiamboniany sy ho fihaingony.

3 Ireo olo-mahay rehetra nofenoiko fanahim-pahendrena no hantsoinao, dia izy no hanao ny fanamiana ho an'i Aarona mba hohamasinina izy hanaovany ny fisoronana amiko. 4 Ka izao no fanamiana hataon'izy ireo: saron-tratra iray, efoda iray, akanjo lava iray, akanjo anaty misy amborodao iray, satroka hamama iray ary fehin-kibo iray. Ireo no fanamiana masina hataony ho an'i Aarona rahalahinao, sy ny zanany, mba ho mpisorona hanao fanompoana ahy izy ireo. 5 Ny hanaovany azy dia volamena, jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, ary rongony madinika. 6 Ny efodia dia hataony amin'ny volamena, jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, ary rongony madinika voahasina, ampifahoina amin'ny tenona lavorary.

7 Asiana sorony roa izy, hanambatra ny sisiny roa hampikambana azy. 8 Hitovy tenona aminy koa ny fehin-kibo hamehezana azy eo amboniny sy hiray aminy, fa hatao amin'ny volamena, jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, ary rongony madinika voahasina. 9 Ary makà vato berila roa, dia hosokirinao aminy ny anaran'ny zanakalahin'Israely: 10 ny enina amin'ny anarany, amin'ny vato iray, ny anarany enina sisa amin'ny vato iray, alahatra araka ny fizokiany. 11 Tahaka ny fikapa vato sarobidy sy fisokitra fanombohan-kase aminy, no ho fisokitrao ny anaran'ny zanak'Israely amin'ireo vato roa ireo, ary hasianao randram-bolamena manodidina izy. 12 Ataovy eo amin'ny soroky ny efoda ireo vato roa ireo, ho vato fahatsiarovana ny zanak'Israely, fa hoentin'i Aarona amin'ny sorony roa eo anatrehan'ny Tompo ny anaran'izy ireo ho fahatsiarovana. 13 Ary manaova randram-bolamena, 14 sy rojo volamena madio madinika roa hatao mirandrana toy ny tady, araiketo amin'ny randram-bolemana ny rojo madinika miendri-tady. 15 Dia manaova saron-tratra, fitsarana, asam-panenona mahay; hatao mitovy tenona amin'ny efoda, hatao amin'ny volamena, jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, ary rongony madinika mihasina.

16 Ataovy efa-joro mitovy efatra sy roa sosona izy, irain-jehy ny lavany, irain-jehy ny sakany; 17 ka petaho rava-batosoa an-tranontranony, vatosoa efatra andalana; ny andalana voalohany: sardoana, topaza, emeraoda iray avy. 18 Ny andalana faharoa: ekarbokla, safira, diamondra iray avy. 19 Ny andalana fahatelo: opala, agata, ametista iray avy. 20 Ny andalana fahefatra: krisolita, berila, jaspa iray avy. Hodidino raozy volamena avokoa ireo vato ireo. 21 Hifanisa amin'ny anaran'ny zanak'Israely ny vatosoa, dia roa ambin'ny folo araka ny anaran'izy ireo; ho voasokitra toy ny fanombohan-kase, samy misy ny anarany avy araka ny foko roa ambin'ny folo. 22 Amin'ny saron-tratra asio rojo volamena madio madinika, atao mirandrana toy ny tady; 23 hanaovanao masom-bolamena roa ny saron-tratra, ary hapetakao amin'ny tendrony roa amin'ny saron-tratra ny masom-bolamena roa. 24 Ka ny rojo volamena roa hampidirinao amin'ny masom-bolamena roa, amin'ny tendron'ny saron-tratra; 25 ny tendrony roa amin'ny rojo roa dia hofehezinao amin'ny randram-bola roa, dia hasampinao eo amin'ny sorony roa amin'ny efoda avy eo anoloana. 26 Manaova koa masom-bolamena roa, hatao amin'ny tendrony ambany roa, amin'ny saron-tratra eo amin'ny sisiny anatiny, manolotra ny efoda. 27 Dia manaova koa masom-bolamena roa hatao eo ambanin'ny sorony roa amin'ny efoda, eo anoloana, akaikin'ny famatorana azy sy ambonin'ny fehikibo amin'ny efoda. 28 Hampifamehezina amin'ny ribà jaky volomparasy ny masom-bolamenan'ny saron-tratra sy ny an'ny efoda, hitana ny saron-tratra eo ambonin'ny fehikibo amin'ny efoda, fa tsy hosarahina amin'ny efoda ny saron-tratra. 29 Amin'izay Aarona, rahefa miditra ny fitoerana masina dia hitondra ny anaran'ny zanak'Israely, manolotra ny fony, amin'ny saron-tratra fitsarana, ho fahatsiarovana mandrakizay, eo anatrehan'ny Tompo. 30 Ataovy mikambana amin'ny saron-tratra fitsarana koa ny Orima sy ny Tomima, ka hanolotra ny fon'i Aaarona, rahefa miseho eo anatrehan'ny Tompo izy, ka amin'izany dia hoentin'i Aarona mandrakariva manolotra ny fony eo anatrehan'ny Tompo ny fitsarana ny zanak'Israely. 31 Ataovy amin'ny jaky volomparasy ny akanjo lavan'ny efoda manontolo.

32 Asio vozony, eo afovoany, hidiran'ny loha, ary hisy sisiny manodidina io vozony io ka ho voatenona toy ny fanao amin'ny vozon'akanjo fiarovan-tratra, mba tsy ho rovitra ny akanjo lava. 33 Ny moron-tongony asio sarin'apongabendanitra jaky volomparasy sy jaky mangatrakatraka ary lamba mena antitra, amin'ny morony ambany, atao manodidina, elanelanin'ny lakolosy kely volamena manodidina hatrany: 34 lakolosy kely volamena dia sarin'apongabendanitra, lakolosy kely volamena dia sarin'apongabendanitra, manaraka ny moron-tongotry ny akanjo lava manodidina hatrany. 35 Hiakanjoan'i Aarona izany, rahefa manao ny fanompoam-pivavahana izy, ary ho re ny fanenony amin'ny hidirany sy amin'ny hivoahany ny fitoerana masina eo anatrehan'ny Tompo, ka tsy ho faty izy. 36 Manaova takela-bolamena madio, ka sokiro eo amin'io, toy ny fisokitra fanombohan-kase, izao teny izao: Fahamasinana ho an'ny Tompo.

37 Dia afehezo amin'ny ribà jaky volomparasy amin'ny hamama dia hatao eo anoloan'ny hamama io. 38 Ho eo an-kandrin'i Aarona izy, mba hitondran'i Aarona ny heloka rehetra natao tamin'ny zava-masina izay hatokan'ny zanak'Israely ho fanatitra masina isan-karazany; ary ho eo an-kandriny lalandava izy eo anatrehan'ny Tompo mba hahitan'izy ireo sitraka amin'ny Tompo. 39 Ataovy rongony madinika ny akanjo anatiny, ataovy rongony madinika koa ny hamama, ary ataovy misoratsoratra ny fehin-kibo. 40 Ny an'ny zanak'i Aarona dia toniky no ataovy ho azy ireo, ary anaovy fehin-kibo sy mitra koa izy, ho mariky ny fiamboniany sy ho fihaingoany.

41 Hampiakanjoinao Aarona rahalahinao, sy ny zanany koa, hosoranao izy, hatokanao izy, ho hamasininao izy, mba ho mpisorona hanao fanompoana ahy.

42 Manaova kalisaona rongony fotsy ho azy ireo, hanarona ny fitanjahany; ataovy hatreo amin'ny valahany ka hatreo amin'ny feny. 43 Ireo no hoentin'i Aarona sy ny zanany, na hiditra eo amin'ny trano lay fihaonana izy ireo, na hankeo amin'ny otely hanao ny fanompoam-pivavahana eo amin'ny fitoerana masina. Ary amin'izany dia tsy ho voan-keloka izy ka tsy ho faty. Lalàna mandrakizay izany, ho an'i Aarona sy ny taranany mandimby azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3028