Eksaody

Toko faha-2

1 Nisy lehilahy anankiray, fokon'i Levì, lasa naka ho vadiny ny zanakavavin'i Levì anankiray.

2 Ary tonga bevohoka ravehivavy dia tera-dahy. Ary hitany fa tsara tarehy ity zaza, ka dia nafeniny telo volana. 3 Nony efa tsy azony nafenina intsony dia nalainy ny vata zozoro anankiray, nohosorany mena-tany sy ditin-kazo dia napetrany tao ny zaza, ka nalatsany tao anaty bararata amoron'ny ony. 4 Ary ny anabavin'ilay zaza no nijanona teny lavidavitra teny, mba hahita izay hihatra aminy. 5 Dia nidina handro eo amin'ny ony ny zanakavavin'i Faraona, ka nitsangantsangana teny amoron'ny ony teny ny zazavavy namany. Rahefa tazany ilay vata tao anaty bararata dia nasainy nalain'ilay ankizivaviny.

6 Nosokafany ity izy, ka hitany ilay zaza, zazalahy kely mitomany, dia nangoraka azy izy, ary nanao hoe: Zanaky ny Hebrio itony. 7 Tamin'izay kosa ny anabavin'ity zaza dia niteny tamin'ny zanakavavin'i Faraona nanao hoe: Moa tianao va ny handehanako hitady mpitaiza amin'ny vehivavy Hebrio hampinono io zaza io? 8 Mandehana, hoy ity zanakavavin'i Faraona. Dia lasa razazavavy naka ny renin'ny zaza. 9 Ary hoy ny zanakavavin'i Faraona taminy: Ento ity zaza ity ka tezao ho ahy, fa homeko anao ny karamanao. Dia nentin-dravehivavy ny zaza ka notezainy. 10 Nony efa lehibe ny zaza dia nentiny tany amin'ny zanakavavin'i Faraona, ka nataony toy ny zanany, sy nomeny anarana hoe Moizy, fa teo amin'ny rano no nanalako azy, hoy izy. 11 Tamin'izany andro izany efa lehibe Moizy, ka nivoaka nankany amin'ny rahalahiny; nahita ny asa mafy nataony izy, ary nisy Ejipsiana anankiray hitany nikapoka Hebrio anankiray tamin'ireo rahalahiny.

12 Niherikerika nijery izy aloha, ka nony fantany fa tsy nisy olona teny, dia novonoiny ilay Ejipsiana ka nafeniny tao anaty fasika. 13 Ny ampitson'izay indray, nivoaka izy, ka indry fa nifanditra ny Hebrio roa lahy, ary hoy izy tamin'ilay diso hoe: Ahoana no ikapohanao ny namanao? 14 Fa hoy ny navalin-dralehilahy: Iza no nanangana an'ialahy ho lehibenay sy mpitsara anay? Sa tadiavin'ialahy hovonoina koa aho, tahaka ny namonoan'ialahy ilay Ejipsiana? Raiki-tahotra Moizy, ka hoy izy: Misy mahalala tokoa ilay zavatra. 15 Nony ren'i Faraona ny zavatra nitranga dia notadiaviny hovonoina Moizy, saingy nandositra ny tànan'i Faraona izy, ka nankany amin'ny tany Madiana, dia nipetraka teo anilan'ny lavaka fantsakana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1476