Eksaody
Toko faha-3
1 Ary Moizy niandry ny biby fiompin'i Jetrao, rafozany, mpisorona tao Madiana. Nentiny nankany ankoatry ny efitra ny biby, ka tonga tany amin'ny tendrombohitr'Andriamanitra, tany Horeba, izy.2 Ny anjelin'ny Tompo niseho taminy, amin'ny endriky ny lelafo, teo afovoan'ny zava-maniry milobolobo. Hitan'i Moizy fa indro nirehitra avokoa ilay zava-maniry milobolobo, nefa tsy levona ilay zava-maniry milobolobo. 3 Ka hoy Moizy: Ndeha hiolaka aho handinika io fahitana lehibe io, sy hizaha izay tsy mahalevona ny zava-maniry milobolobo. 4 Hitan'ny Tompo fa niolaka hijery izy; dia niantso azy Andriamanitra teo afovoan'ny zava-maniry milobolobo, nanao hoe: Ry Moizy! ry Moizy! Ka hoy ny navaliny: Inty aho. 5 Dia hoy Andriamanitra: Aza manakaiky eto: esory ny kapa amin'ny tongotrao, fa tany masina io. 6 Ary hoy koa izy: Izaho no Andriamanitry ny rainao, Andriamanitr'i Abrahama, Andriamanitr'Isaaka ary Andriamanitr'i Jakoba. Nosaronan'i Moizy ny tavany fa natahotra ny hijery an'Andriamanitra izy.