Eksaody

Toko faha-31

1 Ary Iaveh niteny tamin'i Moizy nanao hoe:

2 Aoka ho fantatrao fa efa nantsoiko tamin'ny anarany Beseleela, zanak'i Orì, zanak'i Hora, avy amin'ny fokon'i Jodà. 3 Efa nofenoiko fanahin'Andriamanitra izy, dia fahendrena amam-pahiratan-tsaina sy fahaizana momba ny taozavatra isan-karazany rehetra hamoronany asa vaovao; 4 hanefeny volamena, volafotsy, varahina, 5 hisokirany vato halatsaka an-tranontranony, handrafetana hazo, ary hanaovana taozavatra isan-karazany. 6 Ary indro nanampiko azy koa Ooliaba, zanak'i Akisemeka, avy amin'ny fokon'i Dana, ary efa nasiako fahendrena ny fon'ny lehilahy mahay rehetra, mba hanaovany an'izay rehetra nandidiako anao,

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0497