Eksaody

Toko faha-32

1 Nony hitan'ny vahoaka fa efa naharitra ela Moizy nefa tsy mbola nidina avy tany an-tendrombohitra, dia nivory teo amin'i Aarona izy, ka nanao taminy hoe: Ndeha anaovy andriamanitra hialoha làlana anay izahay. Fa raha ny amin'iny Moizy iny, ilay lehilahy nitondra anay niakatra avy tany amin'ny tany Ejipta, tsy fantatray na naninona izy na naninona.

2 Ary hoy Aarona tamin'izy ireo: Esory àry ny kavim-bolamena, eny an-tsofin'ny vadinareo aman-janakareo lahy na vavy, ka ento aty amiko. 3 Dia samy nanesotra ny kavim-bolamena teny an-tsofiny avokoa ny olona ka nitondra izany teo amin'i Aarona. 4 Noraisiny tamin'ny tànan'izy ireo izany, dia namboariny tamin'ny fandraka ny volamena ka namoronany zanak'omby anidina. Ary hoy izy ireo: Ry Israely, io no andriamanitra izay nitondra anao niakatra avy tany amin'ny tany Ejipta. 5 Nony nahita izany Aarona dia nanao otely teo anoloan'ilay sary ka niantso hoe: Hisy fety fankalazana an'ny Tompo rahampitso. 6 Nifoha vao maraina koa izy ireo nony ampitso, ka nanolotra sorona dorana sy nanatitra sorona fisaorana. Dia nipetraka hihinana sy hisotro ny vahoaka, ary nitsangana hilalao. 7 Dia hoy Iaveh tamin'i Moizy: Mandehana midina hianao fa nanao ratsy be vava ilay vahoakanao nentinao niakatra avy any amin'ny tany Ejipta.

8 Nalaky nivily niala tamin'ny làlana nasaiko hombany; nanao zanak'omby anidina ho azy izy ireo, dia niankohoka teo anoloan'io sy nanolotra sorona taminy, ary nanao hoe: Ry Israely, io no andriamanitrao, izay nitondra anao niakatra avy any amin'ny tany Ejipta. 9 Hoy Iaveh tamin'i Moizy: Hitako fa vahoaka mafy hatoka io vahoaka io. 10 Koa ankehitriny avelao aho, aoka hirehetan'ny fahatezerako izy ireo, ka horinganiko; fa hianao kosa hataoko firenena lehibe. 11 Nifona tamin'ny Tompo Andriamaniny anefa Moizy ka nanao hoe: Nahoana ny fahatezeranao, Iaveh ô, no dia hirehitra amin'ny vahoakanao, izay navoakanao avy any amin'ny tany Ejipta, tamim-pahefana lehibe aman-tànana mahery? 12 Nahoana no dia hahazoan'ny Ejipsiana hilaza hoe: Ny namoahany azy dia mba hampidi-doza aminy, mba hamono azy any an-tendrombohitra, ary mba handrigana azy tsy ho eto ambonin'ny tany. Koa ialao re ny fahatezeranao mirehitra; aneneno re ny ratsy kasainao hafitsoka ny vahoakanao. 13 Fa tsarovy Abrahama sy Isaaka ary Israely mpanomponao izay nilazanao tamim-pianianana amin'ny tenanao hoe: Hohamaroiko toy ny kintana eny an-danitra ny taranakareo ary homeko ny taranakareo izany tany rehetra nolazaiko taminareo izany, ka hanjakany mandrakizay. 14 Dia nanenenan'ny Tompo ny ratsy nolazainy hafitsoka ny vahoakany. 15 Ary Moizy niverina nidina avy any an-tendrombohitra; nitondra teny an-tànany ny takelaka roan'ny vavolombelona, takelaka voasoratra tamin'ny lafiny roa: voasoratra tamin'ny lafiny iray sy tamin'ny lafiny iray koa.

16 Asan-tànan'Andriamanitra ireo takelaka ireo, ary ny soratra dia soratr'Andriamanitra voasokitra tamin'ny takelaka. 17 Nony nandre ny tabataban'ny vahoaka nihorakoraka Josoe dia nilaza tamin'i Moizy hoe: Finanananàna toy ny any an'ady izany any amin'ny toby izany. 18 Fa hoy ny navalin'i Moizy: Tsy mba feo fihobian'ny mpandresy na feo fibabababan'ny resy izany fa feon'olona mihira no reko. 19 Nony mby teo akaikin'ny toby izy, dia nahita ny zanak'omby sy ny dihy, ka nirehitra ny fahatezeran'i Moizy, nazerany ny takelaka teny an-tànany, sady novakivakiany teo am-bodin'ny tendrombohitra. 20 Ary nalainy ilay zanak'omby nataon'izy ireo, nodorany tamin'ny afo, notorotoroiny hanjary vovony, ary nafafiny tao anaty rano ny vovony, ka nampisotroiny ny zanak'Israely. 21 Dia hoy Moizy tamin'i Aarona: Fa nataon'ity vahoaka ity ahoana hianao no dia notsindrianao heloka bevava toy izao izy?

22 Hoy Aarona namaly azy: Aoka re mba tsy hirehitra ny fahatezeran'ny tompoko. Fa na ny tenanao aza dia mahalala fa mitongilana amin'ny ratsy ity vahoaka ity. 23 Izao no nolazain'izy ireo tamiko: Anaovy andriamanitra izahay hialoha làlana anay, fa raha ny amin'iny Moizy iny, ilay lehilahy nitondra anay niakatra avy tany amin'ny tany Ejipta, tsy fantatray na naninona izy na naninona. 24 Dia hoy aho tamin'izy ireo: Samia àry mahafoy ny azy izay manam-bolamena. Koa nanome izy, ary natsipiko tao anaty afo, dia io zanak'omby io no nivoaka avy ao. 25 Dia hitan'i Moizy fa nanarana tsy voafehy intsony ny vahoaka satria nampanaranin'i Aarona tsy voafehiny, ka efa namela azy ho zary fihomehezan'ny fahavalony izy.

26 Ka dia nijanona teo am-bavahadin'ny toby Moizy, nanao hoe: Mbà tonga aty amiko izay momba an'ny Tompo. Ary ny zanak'i Levì rehetra nivory nankeo aminy. Ka hoy izy tamin'ireo: 27 Izao no lazain'ny Tompo Andriamanitr'Israely: Samia hianareo manao ny sabany eo am-balahany avy, ka mandehana mamakivaky ny toby, hatramin'ny vavahadin'ny toby anankiray, ka hatramin'ny vavahady anankiray, dia samia mamono ny rahalahiny, ny sakaizany ary ny havany avy. 28 Notanterahin'ny zanak'i Levì ny didin'i Moizy, ka nahafatesana sahabo ho telo arivo ny lehilahy tamin'ny vahoaka androtr'izay. 29 Dia hoy Moizy: Samia manokan-tena amin'ny Tompo hianareo anio, fa efa samy namely ny zanany aman-drahalahiny avy, mba hanomezany tso-drano anareo anio. 30 Nony ampitso, hoy Moizy tamin'ny vahoaka: Efa nahavita heloka bevava hianareo, ka ankehitriny ndeha hiakatra ho any amin'ny Tompo aho, fa angamba hahazo famelana ny fahotanareo aho.

31 Dia niverina nankany amin'ny Tompo Moizy, ka nanao hoe: Indrisy, efa nahavita heloka bevava io vahoaka io, fa efa nanao andriamanitra volamena ho azy izy ireo. 32 Ary ankehitriny avelao re ny helony; fa raha tsy izany, vonoy ny anarako ao amin'ny bokinao izay nosoratanao. 33 Fa hoy Iaveh tamin'i Moizy: Izay nanota tamiko no hovonoiko anarana amin'ny bokiko. 34 Fa hianao izao, mandehana mitarika ny vahoaka ho any amin'izay nolazaiko taminao. Indro fa handeha eo alohanao ny anjeliko, nefa amin'ny andro famangiako dia hofaiziko noho ny fahotany izy ireo. 35 Nokapohin'ny Tompo ny vahoaka noho ny nanaovany ny zanak'omby izay nataon'i Aarona.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0986