Eksaody

Toko faha-32

7 Dia hoy Iaveh tamin'i Moizy: Mandehana midina hianao fa nanao ratsy be vava ilay vahoakanao nentinao niakatra avy any amin'ny tany Ejipta.

8 Nalaky nivily niala tamin'ny làlana nasaiko hombany; nanao zanak'omby anidina ho azy izy ireo, dia niankohoka teo anoloan'io sy nanolotra sorona taminy, ary nanao hoe: Ry Israely, io no andriamanitrao, izay nitondra anao niakatra avy any amin'ny tany Ejipta. 9 Hoy Iaveh tamin'i Moizy: Hitako fa vahoaka mafy hatoka io vahoaka io. 10 Koa ankehitriny avelao aho, aoka hirehetan'ny fahatezerako izy ireo, ka horinganiko; fa hianao kosa hataoko firenena lehibe. 11 Nifona tamin'ny Tompo Andriamaniny anefa Moizy ka nanao hoe: Nahoana ny fahatezeranao, Iaveh ô, no dia hirehitra amin'ny vahoakanao, izay navoakanao avy any amin'ny tany Ejipta, tamim-pahefana lehibe aman-tànana mahery?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1126