Eksaody

Toko faha-32

7 Dia hoy Iaveh tamin'i Moizy: Mandehana midina hianao fa nanao ratsy be vava ilay vahoakanao nentinao niakatra avy any amin'ny tany Ejipta.

8 Nalaky nivily niala tamin'ny làlana nasaiko hombany; nanao zanak'omby anidina ho azy izy ireo, dia niankohoka teo anoloan'io sy nanolotra sorona taminy, ary nanao hoe: Ry Israely, io no andriamanitrao, izay nitondra anao niakatra avy any amin'ny tany Ejipta. 9 Hoy Iaveh tamin'i Moizy: Hitako fa vahoaka mafy hatoka io vahoaka io. 10 Koa ankehitriny avelao aho, aoka hirehetan'ny fahatezerako izy ireo, ka horinganiko; fa hianao kosa hataoko firenena lehibe. 11 Nifona tamin'ny Tompo Andriamaniny anefa Moizy ka nanao hoe: Nahoana ny fahatezeranao, Iaveh ô, no dia hirehitra amin'ny vahoakanao, izay navoakanao avy any amin'ny tany Ejipta, tamim-pahefana lehibe aman-tànana mahery? 12 Nahoana no dia hahazoan'ny Ejipsiana hilaza hoe: Ny namoahany azy dia mba hampidi-doza aminy, mba hamono azy any an-tendrombohitra, ary mba handrigana azy tsy ho eto ambonin'ny tany. Koa ialao re ny fahatezeranao mirehitra; aneneno re ny ratsy kasainao hafitsoka ny vahoakanao. 13 Fa tsarovy Abrahama sy Isaaka ary Israely mpanomponao izay nilazanao tamim-pianianana amin'ny tenanao hoe: Hohamaroiko toy ny kintana eny an-danitra ny taranakareo ary homeko ny taranakareo izany tany rehetra nolazaiko taminareo izany, ka hanjakany mandrakizay. 14 Dia nanenenan'ny Tompo ny ratsy nolazainy hafitsoka ny vahoakany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0865