Eksaody

Toko faha-34

4 Dia nipaika takelaka vato roa tahaka ireo voalohany Moizy; ka nifoha maraina koa, niakatra ny tendrombohitra Sinaia, araka ny nandidian'ny Tompo azy; nentiny teny an-tànany ny takelaka vato roa. 5 Dia nidina tao anatin'ny rahona Iaveh ka niara-nijanona taminy teo, sy nanonona ny anarana hoe: Iaveh!

6 Ary nandalo teo anatrehany Iaveh sady niantso hoe: Iaveh! Iaveh! Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sy be hatsaram-po amam-pahamarinana; 8 Niondrika tamin'ny tany niaraka tamin'izay Moizy, dia niankohoka, 9 nanao hoe: Raha nahita fitia teo imasonao aho, ry Tompo, aoka re mba hiaraka aminay ny Tompo, fa vahoaka mafy hatoka izy. Avelao ny heloka amam-pahotanay, ary raiso ho lovanao izahay.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0614