Eksaody

Toko faha-3

1 Ary Moizy niandry ny biby fiompin'i Jetrao, rafozany, mpisorona tao Madiana. Nentiny nankany ankoatry ny efitra ny biby, ka tonga tany amin'ny tendrombohitr'Andriamanitra, tany Horeba, izy.

2 Ny anjelin'ny Tompo niseho taminy, amin'ny endriky ny lelafo, teo afovoan'ny zava-maniry milobolobo. Hitan'i Moizy fa indro nirehitra avokoa ilay zava-maniry milobolobo, nefa tsy levona ilay zava-maniry milobolobo. 3 Ka hoy Moizy: Ndeha hiolaka aho handinika io fahitana lehibe io, sy hizaha izay tsy mahalevona ny zava-maniry milobolobo. 4 Hitan'ny Tompo fa niolaka hijery izy; dia niantso azy Andriamanitra teo afovoan'ny zava-maniry milobolobo, nanao hoe: Ry Moizy! ry Moizy! Ka hoy ny navaliny: Inty aho. 5 Dia hoy Andriamanitra: Aza manakaiky eto: esory ny kapa amin'ny tongotrao, fa tany masina io. 6 Ary hoy koa izy: Izaho no Andriamanitry ny rainao, Andriamanitr'i Abrahama, Andriamanitr'Isaaka ary Andriamanitr'i Jakoba. Nosaronan'i Moizy ny tavany fa natahotra ny hijery an'Andriamanitra izy. 7 Ary hoy Iaveh hoe: Efa hitako ny fahorian'ny vahoakako izay any Ejipta ary henoko ny fitarainany noho ny afitsok'ireo mpamoritra azy: fa fantatro ny fijaliany. 8 Ka hidina aho hamonjy azy amin'ny tànan'ny Ejipsiana, hitondra azy miakatra avy amin'ity tany ity, ho any amin'ny tany mahavokatra sy malalaka, tany tondra-dronono aman-tantely, dia any amin'ny tany onenan'ny Kananeana, ny Heteana, ny Amoreana, ny Ferezeana, ny Heveana ary ny Jeboseana. 13 Ary hoy Moizy tamin'Andriamanitra: Izao àry, dia ho any amin'ny zanak'Israely aho, ka hilaza aminy hoe: irahin'ny Andriamanitry ny razanareo aho ho aty aminareo. Raha manontany izay anarany izy, dia ahoana no havaliko azy ireo? 14 Hoy Andriamanitra tamin'i Moizy: Izaho no Ilay misy. Izany, hoy izy, no havalinao ny zanak'Israely: Ilay misy no maniraka ahy ho aty aminareo. 15 Dia hoy koa Andriamanitra tamin'i Moizy: Lazao amin'ny zanak'Israely hoe: Iaveh, Andriamanitry ny razanareo, dia ny Andriamanitr'i Abrahama, Andriamanitr'Isaaka, Andriamanitr'i Jakoba, no maniraka ahy ho aty aminareo. Fa izany no anarako mandrakizay; izany no hahatsiarovana ahy hatramin'ny taranaka fara mandimby.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.08