Eksaody

Toko faha-3

13 Ary hoy Moizy tamin'Andriamanitra: Izao àry, dia ho any amin'ny zanak'Israely aho, ka hilaza aminy hoe: irahin'ny Andriamanitry ny razanareo aho ho aty aminareo. Raha manontany izay anarany izy, dia ahoana no havaliko azy ireo? 14 Hoy Andriamanitra tamin'i Moizy: Izaho no Ilay misy. Izany, hoy izy, no havalinao ny zanak'Israely: Ilay misy no maniraka ahy ho aty aminareo. 15 Dia hoy koa Andriamanitra tamin'i Moizy: Lazao amin'ny zanak'Israely hoe: Iaveh, Andriamanitry ny razanareo, dia ny Andriamanitr'i Abrahama, Andriamanitr'Isaaka, Andriamanitr'i Jakoba, no maniraka ahy ho aty aminareo. Fa izany no anarako mandrakizay; izany no hahatsiarovana ahy hatramin'ny taranaka fara mandimby. 16 Mandehana, vorio ny loholon'Israely, ka lazao aminy hoe: Niseho tamiko Iaveh, Andriamanitry ny razanareo, dia ny Andriamanitr'i Abrahama sy Isaaka ary Jakoba, nanao hoe: Namangy anareo aho, ary nahita ny anaovan'ny olona anareo any Ejipta. 17 Ka hoy aho: Hoentiko hianareo hiakatra avy any Ejipta, izay hamoretana anareo, ho any amin'ny tanin'ny Kananeana, ny Heteana, ny Amoreana, ny Ferezeana, ny Heveana ary ny Jeboseana, any amin'ny tany tondra-dronono aman-tantely. 18 Fa hihaino ny teninao izy ireo; dia handeha hianao sy ny loholon'Israely ho any amin'ny mpanjakan'i Ejipta, ka hanao aminy hoe: Niseho taminay Iaveh ilay Andriamanitry ny Hebrio. Koa amin'izao avelao izahay handeha lalan-kateloana any an'efitra, hanolotra sorona amin'ny Tompo, Andriamanitray. 19 Fantatro ihany fa tsy hamela anareo handeha ny mpanjakan'i Ejipta, raha tsy amin'ny tànana mahery; 20 nefa haninjitra ny tànako aho hamely an'i Ejipta, amin'ny fahagagana isan-karazany hataoko eo aminy, ka havelany handeha hianareo rahefa afaka izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.063